Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 46:12 - DIEM PROTESTANTA

12 I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ny zanakalahin’i Joda dia i Era, i Onana, i Sela, i Fareza ary i Zera. I Era sy i Onana anefa dia maty tany amin’ny tany Kanana. Ny zanakalahin’i Fareza dia i Hezrona sy i Hamola.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ny zanakalahin’i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’i Fareza dia Hezrona sy Hamola.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 46:12
29 Rohy Ifampitohizana  

Fa mbola bevohòka indray izy, dia niteraka zazalahy fahefatra, ka nanao hoe: –Amin’ity kosa dia hidera ny TOMPO aho. Dia nataony hoe Joda ny anarany. Dia nitsahatra tsy niteraka intsony izy.


Ary hita fa ratsy teo imason’ny Tompo izay nataon’i Onàna, ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty koa izy.


Mbola nitoe-jaza indray ravehivavy ka niteraka zazalahy nantsoiny hoe Onàna.


Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.


Fa ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty.


I Levỳ sy ireo zanany lahy dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merary.


I Jisakara sy ireo zanany lahy, dia i Tôlà sy i Povà ary i Jasoba sy i Simrôna.


Ireto no zanakalahin’i Israely: i Reobena sy i Simehôna, i Levỳ sy i Joda, i Jisakara sy i Zebolòna,


Ireto no zanakalahy naterak’i Davida tao Hebrôna: ny lahimatoa dia i Amnôna, zanakalahin’i Ahinôhama avy any Jizrehela; ny faharoa dia i Daniela, zanakalahin’i Abigaîla avy any Karmela;


Ny zanakalahin’i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirôna mbamin’i Karmỳ sy i Hora ary i Sôbala.


Taranak’i Selà, zanakalahin’i Joda: i Hera mpanorina an’i Lekà; i Lahedà mpanorina an’i Maresà; ireo tarika mpanenona lamba rongony tao Bety-Asbea;


I Joda no nahery indrindra teo amin’izy mirahalahy avy, ka izy no nipoiran’ilay ho tonga mpanjakan’i Israely; nefa ny fizokiana dia an’i Jôsefa ihany.


Tamin’ny taranak’i Joda: avy tamin’ny terak’i Peretsa, dia i Hotahy zanakalahin’i Hamihoda sy zafin’i Homrỳ sy zafiafin’i Imrỳ ary zafin-dohalik’i Banỳ;


avy tamin’ny terak’i Zerà, dia i Jehiela. Ireo mbamin’ny havany rehetra dia nisy 690 tao Jerosalema.


I Petahià, zanakalahin’i Mesezabela sady anisan’ny terak’i Zera zanakalahin’i Joda, dia teo anilan’ny amperôra mba hiandraikitra ny raharaha rehetra momba ny vahoaka israelita.


fa ny fokon’i Joda no voafidiny ary ny tendrombohitra Tsiôna no maminy;


i Nahasôna zanak’i Haminadaba no avy amin’ny fokon’i Joda;


Ny amin’ny taranak’i Joda dia izao no voalazan’i Mosesy; «TOMPO ô, henoy antso ny fokon’i Joda! Ento izy hifandray amin’ireo mpiray firenena aminy; ny tanany no hiadiany ho an’ny fokony ka ampio izy hamely ny mpandrafy azy.»


Eny, fantatra mazava tsara fa avy amin’ny fokon’i Joda no nipoiran’ny Tompontsika; ary izany foko izany, rehefa niteny momba ny mpisorona i Mosesy, dia tsy mba voatonony velively.


Dia hoy ny anankiray tamin’ireo loholona tamiko: –Aoka izay ny ranomasonao! Indro ny liona avy amin’ny fokon’i Joda, dia ilay solofon’i Davida mpanjaka, fa nahazo fandresena ka afaka hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky.


Dia namaly azy ny TOMPO hoe: –Ny vatan-dehilahy amin’ny fokon’i Joda, fa hatolotro azy ny tany.


Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra