Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon’ny terak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama mba ho toeram-pandevenana.
1Tantara 1:13 - DIEM PROTESTANTA I Kanahàna no ray niteraka an’i Tsidôna (lahimatoany) sy i Heta; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Kanana no niteraka an’i Sidona lahimatoany, i Heta, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Kanahàna no ray niteraka an’i Tsidôna (lahimatoany) sy i Heta; Baiboly Katolika I Kanaàna niteraka an’i Sidona, lahimatoany, sy i Heta, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Kanana niteraka an’i Sidona, lahimatoany, sy Heta Malagasy Bible Ary Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta La Bible en Malgache I Kanana no niteraka an’i Sidona lahimatoany, i Heta, |
Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon’ny terak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama mba ho toeram-pandevenana.
Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!
I Hama rain’i Kanahàna, rehefa nahita ny fitanjahan-drainy, dia lasa nampandre ireo rahalahiny roa tao ivelany.
Nanafatra haingana an’i Jôaba i Davida hoe: –Alefaso atỳ amiko i Orià ilay Hetita. Dia nalefan’i Jôaba nankany amin’i Davida i Orià.
ny Patrôsita sy ny Kaslohita ary ny Kaftôrita; ka ny Kaftôrita no niavian’ny Filistinina.
Halefako hialoha anareo koa ny takolapanenitra ka hampandositra ny Hivita sy ny Kanahanita ary ny Hetita mialoha ny fahatongavanareo.
Ary ny vaovao momba ny faharavàn’i Hay dia ren’ireo mpanjaka izay teny amin’ny faritra rehetra andafy andrefan’i Jôrdàna; teny amin’ny havoana sy teny amin’ny lemak’i Sefelà ary teny amin’tany rehetra amoron’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amôrita mbamin’ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita