Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 23:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon’ny terak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama mba ho toeram-pandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Koa ny saha mbamin’ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ireo taranak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon’ny terak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama mba ho toeram-pandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan’i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin’ny zanak’i Heta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 ka ny saha mbamin’ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ny taranak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 23:20
14 Rohy Ifampitohizana  

I Kanahàna no rain’i Tsidôna lahimatoany sy i Heta


Taorian’izany i Abrahama dia nandevina ny fatin’ny Sarà vadiny, tao amin’ilay lava-bato tao amin’ny saha Makpelà akaikin’i Mamre, izany hoe Hebrôna ao amin’ny tany Kanahàna.


–Vahiny sy mpifindra monina ihany aho eto aminareo. Omeo toeram-pandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny vadiko.


Novidîn’i Abrahama tamin’ny taranak’i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.


I Itsehàka sy i Jismahela zanany no nandevina azy tao amin’ny lava-baton’i Makpelà, ao amin’ny sahan’i Hefrôna zanakalahin’i Tsôhara izay Hetita, dia ilay saha ao akaikin’i Mamre.


Taorian’izany dia nanafatra ireo zanany i Jakôba ka nanao taminy hoe: –Rehefa maty aho, dia aleveno any am-pasan-drazako, dia ilay zohy ao amin’ny sahan’i Hefrôna izay hetita,


Nentiny nankany amin’ny tany Kanahàna ny fatin-drainy ary naleviny tao amin’ny zohy tao an-tsahan’i Makpelà, teo akaikin’i Mamre. Fa novidîn’i Abrahama tamin’i Hefrôna izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.


«Alohan’ny nahafatesan-draiko, dia nampianiana ahy izy mba handevina azy any amin’ny fasana izay efa nomaniny any Kanahàna. Koa ankehitriny aoka aho mba hiakatra handevina ny raiko; rehefa izany dia hiverina indray aho.»


Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Araonà: –Tsia, tsy homenao ahy maimaim-poana ireo fa hovidiko araka izay tena vidiny. Tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitro. Dia novidin’i Davida tamin’ny sekela volafotsy dimampolo ny famoloana sy ny omby.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Manase, dia nalevina tao an-jaridainan’ny lapa na koa «Zaridainan’i Hozà»; ary i Amôna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra