Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 27:46 - DIEM PROTESTANTA

46 Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

46 Ary hoy i Rebeka tamin’Isaka: Tsy te ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita ireny. Koa raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita, tahaka ireto zazavavy tompon-tany ireto i Jakoba, dia inona indray no anton’ny hahavelomako?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

46 Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

46 Ary hoy i Rebekà tamin’i Isaaka: «Boboky ny miaina aho noho ny amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, raha maka vady tahaka ireny i Jakôba, amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, amin’ny zazavavy amin’ity tany ity, dia hampaninona ahy intsony izay aina?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

46 Ary hoy Rebeka tamin’Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanaka vavin’ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin’ny zazavavy tompon-tany, koa hataoko inona ny aiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

46 Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 27:46
11 Rohy Ifampitohizana  

ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.


Hitan’i Hesao kosa tamin’izay fa tsy nahafaly an’i Itsehàka rainy ireo zazavavy kanahanita.


Fa izy kosa nandeha lalana indray andro hankany an-taniefitra; ka rehefa tonga tany izy, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo kely midoroboka iray. Ary nangataka ho faty izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny fa tsy tsara noho ny razako aho.


Andriamanitro ô, raha mba nafeninao tany amin’ny toeran’ny maty aho ka notoloranao fialofana hiereko mandra-pitony ny fahatezeranao! ka aorian’izay dia hahatsiaro ahy Ianao!


Tsy tantiko intsony, fa tsy ho velona ela aho. Zava-poana ihany ny androm-piainako! Koa avelao hilamina amin’izao aho.


Ankehitriny, TOMPO ô, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.


Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.


Raha toy izany no hanaovanao ahy, dia vonoy mihitsy aho ho faty. Izany ahay no hanehoanao hatsarampo amiko; fa aza avela hahita ny fahoriako intsony aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra