«Aza tanan’ny tompoko ho meloka aho ary aza tsarovanao ny faniratsirana nataon’ny mpanomponao, fony nivoaka avy tao Jerosalema ny mpanjaka tompoko, ka mba hieritreritra izany ianao, ry mpanjaka ô!
Obadia 1:18 - Baiboly Katolika Ny taranak’i Jakôba, ho afo; ny taranak’i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr’ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao, fa i Iaveh no efa niteny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho afo ny taranak’i Jakoba ary ho lelafo ny taranak’i Josefa, fa ny taranak’i Esao kosa dia ho mololo ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; tsy hisy sisa velona ny taranak’i Esao satria NY TOMPO no efa niteny. DIEM PROTESTANTA Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo, ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo; ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo ka harehitr’ireo sy holevoniny, ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao. Izaho TOMPO no efa niteny!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo, ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo; ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo ka harehitr’ireo sy holevoniny, ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao. Izaho TOMPO no efa niteny!» Baiboly Protestanta Malagasy Ny taranak’i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’i Esao, Fa Jehovah no efa niteny. Malagasy Bible Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny. La Bible en Malgache Ho afo ny taranak’i Jakoba ary ho lelafo ny taranak’i Josefa, fa ny taranak’i Esao kosa dia ho mololo ary harehitr’ireny izy ka holevoniny; tsy hisy sisa velona ny taranak’i Esao satria NY TOMPO no efa niteny. |
«Aza tanan’ny tompoko ho meloka aho ary aza tsarovanao ny faniratsirana nataon’ny mpanomponao, fony nivoaka avy tao Jerosalema ny mpanjaka tompoko, ka mba hieritreritra izany ianao, ry mpanjaka ô!
Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.
Ny vatolampy handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton’i Iaveh - izay manana ny afony ao Siôna, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»
Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
Noho ny hatezeran’i Iavehn’ny tafika dia may ny tany, ary ny vahoaka zary rembin’afo. Tsy misy mitsimbina izay rahalahiny intsony;
mikapa eny ankavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny ankaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; i Manase mamely an’i Efraima, i Efraima mamely an’i Manase, izy roa tonta ireo mamely an’i Jodà.
Ary ianao, ry zanak’olona, makà hazo iray, asio soratra hoe: «Ho an’i Jodà sy ho an’ny zanak’i Israely tafakambana aminy.» Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: «Ho an’i Josefa; ka ho hazon’i Efraima sy ny taranak’i Israely rehetra tafakambana aminy izany.»
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro fa alaiko ny hazon’i Josefa, eny an-tanan’i Efraima sy ny firenen’i Israely izay tafakambana aminy, ka hakambako amin’ny hazon’i Jodà izy, dia hataoko hazo iray ihany, sy ho iray tokoa eo an-tanako izy ireo.
Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon’ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady.
haringako ny mponina rehetra ao Azota, sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna; dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako; ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,» hoy ny Tompo Iaveh.
Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!
Kôpy lehibe no isotroany divay; diloilo manitra faran’izay tsara no ihosorany; ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjò an’i Josefa.
Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, no hisotroan’ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa; hisotro izy, hitelina izy, ary ho toy ny tsy nisy akory izy.
Aoka hiainga ny tananareo hamely izay manohitra anareo, ary aoka ho ringana ny fahavalonareo!
Fa nifaningotra toy ny tsilo sy toy ny leon’ny divainy izy ireo, ka ho levona toy ny mololo karankaina.
Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.
Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin’io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan’ny olona tsirairay avy;