Isaia 10:17 - Baiboly Katolika17 Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny amin’ny indray andro monja; Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA17 Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin’ny indray andro monja. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin’ny indray andro monja. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Ary ny fahazavan’ny Isiraely ho tonga afo, Ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, Ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny; Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache17 Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny amin’ny indray andro monja; Jereo ny toko |
Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.