Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 10:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin’ny indray andro monja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny amin’ny indray andro monja;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin’ny indray andro monja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny fahazavan’ny Isiraely ho tonga afo, Ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, Ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny fahazavan'ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ho tonga afo ny fahazavan’ny Israely ary ho tonga lelafo ny Iray Masiny ka handoro sy handevona ny tsilony sy ny anjavidiny amin’ny indray andro monja;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 10:17
39 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nihovitrovitra mafy ny tany; nikorosy ny fanambanin’ny tendrombohitra, ka nihozongozona ireny fa tezitra ny Tompo.


Ry Andriamanitra Mpanjaka ô, ho azonao ny fahavalonao rehetra ary ho eo am-pelatananao ireo rehetra mpankahala Anao.


Nataon’i Davida. Ny TOMPO no mpanazava sy mpamonjy ahy, ka iza no hatahorako? Ny TOMPO no toy ny manda miaro ny aiko, ka iza no hangovitako?


Tonga ilay Andriamanitray ka tsy hangina Izy fa hiteny. Afo mandevona no mialoha Azy, tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.


Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran’ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô, toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.


Misy afo mandeha mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony eny manodidina.


TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an’ny fahavalonao!


Tsy tezitra aminy intsony Aho, kanefa aoka tsy hisy tsilo na songosongo ao; hongotako sy hodorako avokoa ireny!


Nokapohin’ny Tompo ireo nikapoka ny vahoakany; toy izany koa ve no nikapohan’ny Tompo ilay vahoakany? Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany; toy izany koa ve no nandripahan’ny Tompo ilay vahoakany?


Fa efa voaomana hatry ny ela ny fandoroana, ary ho an’ny mpanjaka ihany koa izany. Faritra boribory, malalaka sady lalina, no namoriana kitay betsaka handrehetana afo; ary dia ny fofonain’ny TOMPO, izay toy ny riakan-tsolifara miredareda, no hampirehitra izany toeram-pandoroana izany.


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany ao Tsiôna sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.


Ny firenen-kafa kosa hataon’ny afo lasa lavenon-tsokay; ho toy ny kirihitra tsilo voatomboka no handripahan’ny afo azy.


Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiôna, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: «Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan’izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an’izao afo tsy misy farany izao?»


Fa iza moa no voatevatevanao sy nompanao? Ary iza no nanaovanao lela miakatra sy niandranandranan’ny masonao? Tsy iza fa Izaho Ilay Masin’i Israely!


Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.


Ho toy ny mololo no hanjo ireo mpanandro ireo: ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy tena ho afaka amin’ny herin’izany lelafo izany; fa tsy ho vainafo kely hanendasa-mofo izany na ho fatan’afo tsotra natao hamindroana!


Tsy mba ny masoandro intsony no ho fanazavana anao amin’ny andro; tsy mba ny volana mangarangarana intsony no ho fanazavana anao amin’ny alina; fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no ho fanazavana anao mandrakizay sy ho famirapiratanao.


Ary raha sendra misy mivoaka ny tanàna, dia hahita ny fatin’ny olona izay nikomy tamiko; fa ny kankana mihinana azy tsy ho faty, ary ny afo mandoro azy tsy ho levona, ka hahatsiravina ny olona rehetra ireo.»


Tezitra mafy ny TOMPOn’izao rehetra izao, ka dia mirehitra izany tany izany ary toy ny levon’ny afo ny vahoakany. Tsy misy olona miantra ny namany:


Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.


Amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO, dia samy tsy hahavonjy ny olona na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa hiredareda ny fahasaro-piaron’ny TOMPO ka handevona ny tany tontolo. Eny, hahatsiravina tokoa izany, satria haringan’ny TOMPO ny mponina rehetra amin’ny tany.


Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.


Ary nisy afo nalefan’ny TOMPO izay nandoro velona ireo lehilahy 250 nanatitra vovo-javamanitra.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Fa afo mandevona tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo; eny, Andriamanitra saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Azy Izy.


fa ilay Andriamanitsika dia afo mandevona.


Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.


Tsy hisy alina intsony ary tsy mba mila fahazavàn’ny jiro na fahazavàn’ny masoandro ireo mpanompon’Andriamanitra, satria hohazavain’ny Tompo Andriamanitra izy rehetra sady hanjaka mandrakizay mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra