Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 9:19 - Baiboly Katolika

19 mikapa eny ankavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny ankaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; i Manase mamely an’i Efraima, i Efraima mamely an’i Manase, izy roa tonta ireo mamely an’i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; mandany eny ankavia izy nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; mandany eny ankavia izy nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 9:19
32 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny olo-mahery ho tahaka ny hoto, ary ny asany ho kilalaon’afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo.


Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.


Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.


Ny tsipìkany handripaka ny zatovo; ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra; ny zaza tsy hiantran’ny masony.


Indro tonga ny andron’i Iaveh, andro fahalozàna, fahavinirana sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.


Noho izany ny tany levon’ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony; ka dia levona ny mponina amin’ny tany, fa vitsy ny isan’ny olona tavela.


Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.


Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin’ny lehilahy ary ny olona samy amin’ny mifanakaiky aminy; hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin’ny anti-panahy; ary ny olom-poana amin’ny olo-manan-daza indrindra.


Nangovitra ny mpanota ao Siôna, ary raiki-tahotra ny mankahala fihavanana, nanao hoe; «Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?»


Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,


Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.


Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.


Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo! Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.


Indro ny haizina fa manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena; fa i Iaveh kosa no miposaka eo aminao ary ny voninahiny miseho eo aminao.


Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.


Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo, dieny tsy mbola tonga ny haizina, dieny tsy mbola mipoka amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo, dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana ny mazava andrasanareo, ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.


Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko: «Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.


Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.


Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.


rehefa hotapahiko ny mofo tohan’ainareo, ka lafaoro fanendasana iray no hanendasan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany ny mofonareo, dia hihinana ianareo fa tsy ho voky.


Loza ho an’izay maniry ny andron’i Iaveh! ho inona ho anareo moa, ny andron’i Iaveh? Ho haizina izy, fa tsy ho fahazavana.


Ny taranak’i Jakôba, ho afo; ny taranak’i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr’ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao, fa i Iaveh no efa niteny.


Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka, ary tsy misy marina intsony amin’ny olombelona. Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra; samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa


Fa ny zanaka lahy manao amin-drainy hoe adala; ny zanaka vavy mitsangan-kanohitra ny reniny; ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-bavy; samy manana ho fahavalony ny olona amin’ny ankohonany ihany.


Fa tsy hitsitsy ny mponina amin’ny tany intsony Aho, - teny marin’i Iaveh - indro Aho hanolotra ny lehilahy samy ho eo an-tanan’ny namany avy, sy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy, ka handrava ny tany ireo, nefa tsy hanafaka amin’ny tanan’ireo Aho.»


Dia hoy aho: «Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa!»


Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia rakotry ny haizina ny tany rehetra.


Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza;


Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra