Isaia 9 - Baiboly Katolika1 Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan’ny mazava. 2 Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo. 3 Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna. 4 Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo. (Jereo Iz 7,14 ; Jen 3,15 ; 49,10 ; Fanis 24,17 ; Mik 5,1-3 ; Zak 9,9 ; 2Sam 7,12-16 ) 5 Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana, 6 mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany. Famaliana nataon’i Iaveh 7 Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany; 8 Hahalala izany avokoa ny vahoaka, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amim-piavonavonana sy amim-pireharehan’ny fony manao hoe: 9 «Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy, fa sedera kosa no hasolontsika azy.» 10 I Iaveh nanangana ny mpanohitra an-dRasìna hamely azy ireo sy manindrona an’ireo fahavalony, 11 dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistinina any Andrefana, ka ho lanin’ireo, hataony be am-bava, i Israely. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany. 12 Satria tsy niverina amin’izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an’i Iavehn’ny tafika izy ireo. 13 Ka hofongoran’i Iaveh amin’i Israely ny loha sy ny rambo, ny fototr’antrendry aman-jozoro amin’ny indray andro monja. 14 Ny loholona sy ny andriana no loha, ary ny mpaminany mampianatra lainga no rambo. 15 Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy, ary izay voatarika dia very. 16 Noho izany ny zatovon’izy ireo tsy ankasitrahin’ny Tompo, ary ny kamboty amam-mpitondratenany, tsy ananany antra; satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana sy ratsy fanahy avokoa, ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany. 17 Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana, ka mandevona ny hery sy ny tsilo; mampiredaka ny hery milobolobo amin’ny ala, ka ny setroka misavoana mitambolimbolina. 18 Noho ny hatezeran’i Iavehn’ny tafika dia may ny tany, ary ny vahoaka zary rembin’afo. Tsy misy mitsimbina izay rahalahiny intsony; 19 mikapa eny ankavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny ankaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; i Manase mamely an’i Efraima, i Efraima mamely an’i Manase, izy roa tonta ireo mamely an’i Jodà. 20 Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society