Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 9:4 - Baiboly Katolika

4 Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa ny kiraron’izay mivatravatra fandeha amin’ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodorana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa ho levon’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady Sy ny fitafiana mihosin-dra Dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa ny kiraron’izay mivatravatra fandeha amin’ny ady sy ny fitafiana mihosin-dra dia samy hodorana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 9:4
24 Rohy Ifampitohizana  

ary ny rahalahinao no hotompoinao. Mbola ho avy anefa ny hanifihanao ny jiogany, ka ho tapakao ho afaka amin’ny vozonao iny.»


Tsy hitoetra eo amin’ny lovan’ny marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy, mba tsy hanaingan’ny olo-marina, ny tanany hanao ratsy koa.


Nataony lalàna ho an’i Josefa fony izy nandeha namely ny tany Ejipta. Mandre feo tsy fantatro aho:


Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny hain-trano.


Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!


Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.


Aoka ireo mpandositra avy any Moaba hahazo mitoetra eo aminao; aoka ianao ho fiereny, tsy ho azon’ireo mpandringana izy; fa mitsahatra ny fanafihana, tapitra ny fandravana, lasa niala tamin’ny tany ny mpampahory.


Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tananao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.


Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin’ny ran’ny tenany, hoatra ny amin’ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!


ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?


Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna ianao; mipetraha ianao, ry Jerosalema; vahao ny fatorana amin’ny vozonao, ry voababo, zanaka vavin’i Siôna.


Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.


Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana,


Fa hisy toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - Hotapahiko ho afaka amin’ny vozonao ny jiogany, ary hotsoahako ny fatoranao; tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;


Ianareo rehetra mifanakaiky aminy, samia mitsapa alahelo azy, ary ianareo rehetra mahalala ny Anarany, samia milaza hoe: «Ahoana no dia tapaka ny tehina mafy toy izany, ny tehim-panjakana kanto toy izany?»


Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»


Ary ankehitriny, ry Jodà ô, hotapahiko hiala aminao ny jiogany; ary hatòsako ny famatorana anao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra