Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 9:13 - Baiboly Katolika

13 Ka hofongoran’i Iaveh amin’i Israely ny loha sy ny rambo, ny fototr’antrendry aman-jozoro amin’ny indray andro monja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Noho izany dia hofongoran’NY TOMPO amin’ny Israely ao anatin’ny indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampana palma sy ny zozoro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Koa tanatin’ny indray andro monja no namongoran’ny TOMPO an’i Israely, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny volotara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Koa tanatin’ny indray andro monja no namongoran’ny TOMPO an’i Israely, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny volotara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ka dia hofongoran’i Jehovah amin’ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Noho izany dia hofongoran’NY TOMPO amin’ny Israely ao anatin’ny indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampana palma sy ny zozoro.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 9:13
24 Rohy Ifampitohizana  

Na tao anatin’izany fahoriana nanjò azy izany aza, mbola nanohy ny fahotana tamin’i Iaveh ihany izy Akaza mpanjaka,


Ny fo tsy mivavaka, dia entim-pahatezerana, ka tsy mba mitaraina amin’Andriamanitra raha ataony latsaka amin’ny gadra izy ireo.


Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.


Ary tsy misy hahasoa an’i Ejipta, amin’izay rehetra mety ho vitan’ny loha na ny rambo, ny antrendry na ny zozoro.


Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.


Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin’ny soavaly, ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny, sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy; ary i Iaveh tsy tadiaviny.


Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...


Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony, - dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, - ny loha sy ny volon-tongotra ary hoesoriny koa ny volombava.


Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy; hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako; fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.


Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.


Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.


Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Tany tsy voadio ianao, tsy voasasan’ny ranonorana, tamin’ny andron’ny fahatezerana.


Misy zavatra lozan-tany amin’ny lotonao: satria tsy mety madio ianao, rehefa nodioviko dia tsy ho voadio amin’ny lotonao na oviana na oviana ianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako.


Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.


Mitsangan-ko vavolombelona miampanga azy ny avonavon’i Efraima: tsy miverina amin’i Iaveh Andriamaniny anefa izy ireo, na mitady Azy, na dia izany rehetra izany aza.


Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.


Ianareo, nanirahako ny pesta; toy ny fisian’izany any Ejipta; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo, ary tamin’izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo; nampanetona ny hamaimbon’ny tobinareo Aho ka tonga eo am-bavoronareo; nefa tsy niverina tamiko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -


Koa noho izany nataoko madio nify ianareo teny an-tanànanareo rehetra teny sy mosaren-kanina eny amin’ny fonenanareo rehetra; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -


sy ireo mihataka miala amin’i Iaveh, izay tsy mitady an’i Iaveh, ary tsy manan-draharaha Aminy akory.


Any ianao hitady an’i Iaveh Andriamanitrao, ka hahita Azy ianao raha mitady Azy amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra