Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 9:20 - Baiboly Katolika

20 Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Eny, mihinana an’i Efraima i Manase ary mihinana an’i Manase kosa i Efraima; miara-mamely an’i Joda izy roa tonta. Kanefa na izany rehetra izany aza tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 ny fokon’i Manase mihinana ny fokon’i Efraîma, ny an’i Efraîma kosa mihinana ny an’i Manase, ary izy roa tonta no indray mamely ny fokon’i Joda. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 ny fokon’i Manase mihinana ny fokon’i Efraîma, ny an’i Efraîma kosa mihinana ny an’i Manase, ary izy roa tonta no indray mamely ny fokon’i Joda. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Eny, Manase mihinana an’i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 9:20
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny adala manohon-tanana ihany, sady mihinana ny nofon’ny tenany.


Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Ka amin’izay ny faraidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry feizay. Fa ny taranakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. -


Fa indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika, hanesotra amin’i Jerosalema sy i Jodà, ny vonjy aman-tohana rehetra,


Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin’ny ran’ny tenany, hoatra ny amin’ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!


Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy; nihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


Loza roa no namely anao: - iza moa no hanao teny mangoraka anao? - Dia ny fandravana amam-pandringanana, ny mosary sy ny sabatra, - hataoko ahoana no fampionona anao? -


Hirenireny amin’ny tany, vontom-pahoriana sy mosarena, ary rehefa noana izy hanozona ny mpanjakany sy ny andriamaniny amin’ny fiafonafonany.


Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.


Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo, dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, - teny marin’i Iaveh; - tsy hotsitsiko, tsy hananako antra, tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»


Hataoko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy; fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy azon’ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.


Nisy vehivavy mora mangoraka, nefa tanany no nahandro ny zanany dia nataony hanina izany, tamin’ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.


Hihinana ianao, nefa tsy ho voky, ary ho ao anatinao ny hanoanana; hahatakao lavitra ihany nefa tsy hisy hovonjenao na inona na inona, ary na izay voavonjinao aza, hatolotrao ny sabatra.


Dia hoy aho: «Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa!»


Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra