Joela 2:5 - Baiboly Katolika5 Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon’ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA5 Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Tahaka ny figorodon’ny kalesy any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, Sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin’ny hain-tanety, Ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady. Jereo ny toko |