Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 2:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon’ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Tahaka ny figorodon’ny kalesy any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, Sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin’ny hain-tanety, Ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Tahaka ny figorodon’ny kalesy fitondra miady any an-tampon’ny tendrombohitra no figorodon’ny fitsambikimbikiny, eny, tahaka ny fipororotry ny lelafo mandoro mololo, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 2:5
9 Rohy Ifampitohizana  

na mampifalihavanja azy toa valala? Mampihorohoro ny fihiakany sahisahy!


Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo.


Hataon’ny TOMPO re tokoa ny feony heni-piandrianana ary hataony hita ny fiantraikan’ny tanany mamely, rehefa mirehitra ny fahatezerany eo anivon’ny firedaredan’ny lelafo mandevona ary ao anatin’ny ranonoram-baratra sy ny havandra vaventy mifafy.


Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy. Ho lò avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.


Mampirangaranga tsipîka sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy, ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Babilôna!


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Manana fiarovantratra tahaka ny akanjo vy fiarovantratra izy ireo; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy tarihin-tsoavaly maro miriotra hiady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra