Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 49:8 - Baiboly Katolika

Mandosira, miverena ilalana, mifitsaha ianareo, ry mponina any Dedana, fa hahatonga fandravana amin’i Esao Aho, amin’ny andro hamangiako azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandosira, miverena ianareo, mamitsaha ao amin’ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ataoko mihatra amin’i Esao ny loza, dia ny andro hamaliako azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandosira, miambohoa hianareo, Mamitsaha ao amin’ny lalina, ry mponina any Dedana, Fa ny loza ho an’i Esao dia nataoko nihatra taminy, Dia ny andro hamaliako azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandosira, miverena ianareo, mamitsaha ao amin’ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ataoko mihatra amin’i Esao ny loza, dia ny andro hamaliako azy.

Jereo ny toko



Jeremia 49:8
22 Rohy Ifampitohizana  

izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.


Faminaniana any Arabia. Any an-tanilemaka foana any Arabia ianareo no handry, ry andian’i Dedana.


Fa efa mamon-dra teny amin’ny lanitra ny sabatro, ka indro izy midina ho any Edôma, ho any amin’ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.


I Dedana, i Temà, i Boza, mbamin’ireo rehetra miharatra fihirifana;


Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak’omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.


Ilaozy ny tanàna, mitoera any amin’ny vatolampiny, ry mponina any Moaba, ka aoka ho tahaka ny domohina izay manao ny akaniny eny ambonin’ny hantsana mangotanatana.


Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, voan’ny fandrika; fa hataoko tonga aminy, dia amin’i Moaba, ny taona famangiana azy, - teny marin’i Iaveh. -


«Mandosira, vonjeo ny ainareo! Ho tahaka ny anjavidy an-tany foana anie izy.»


Manavota aina ianareo, mandosira araka izay tratry ny ainareo, mamitsaha, ry mponina any Hasora! - teny marin’i Iaveh. - Fa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, namoron-kevitra hamelezana anareo, nanao fikasana hamelezana anareo,


Ny ramevany ho babonareo, ny biby fiompiny, iray dia marenina, ho remby.» Haeliko any amin’ny rivotra rehetra ireo olona mihety fihirifana ireo, ary hahatonga fandravana azy avy hatraiza hatraiza Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy. Loza ho azy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamangiana azy.


Mandosira, ry taranak’i Benjamina, hiala ao afovoan’i Jerosalema. Mitsofa anjomara any Tekoà, ary manangàna famantarana any Betakarema! Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.


noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.


ka ny tendrombohiny nataoko lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an’efitra.


Raha lazain’i Edôma ataony hoe: ‹Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray,› - dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Izy ireo hanorina; Izaho kosa handrava›; ka izao no ho filazan’ny olona azy: ‹Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran’i Iaveh mandrakizay.›


Ny mpanjakan’ny tany, ny lehibe sy ny mpifehy arivo, ny mpanan-karena sy ny olo-mahery, ary ny mpanompo sy ny tompo dia nisitrika tany amin’ny zohy sy vaton’ny tendrombohitra,


Nahery tamin’i Israely ny tanan’i Madiàna. Noho ny amin’i Madiàna no nanaovan’ny zanak’i Israely ireo zohy any an-tendrombohitra, mbamin’ireo lava-bato sy ny havoana mimanda.


Nony hitan’ny lehilahy amin’i Israely fa poritra mafy izy, satria voatery mafy indrindra, dia lasa izy niery tany an-johy, tany anaty ala kely, tany amin’ny haram-bato, tany an-davaka ary tany an-davaka famorian-drano.