21 Ny mpikarama eo aminy kosa, hoatra ny zanak’omby voafahy. Indreny miamboho koa izy ireo dia miara-mandositra, fa tsy manohitra izy, fa nihatra taminy ny androm-pahoriana, dia ny fotoana hamaliana azy.
21 Na dia ny olona mpikarama an’ady ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; tsy mahajanona izy fa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
21 Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, Ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, Fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, Dia ny andro hamaliana azy.
21 Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
21 Na dia ny olona mpikarama an’ady ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; tsy mahajanona izy fa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
Fantatry ny taranak’i Amôna, fa hankahalan’i Davida azy ny nataony ka ny taranak’i Amôna dia naniraka olona haka miaramila hokaramaina avy amin’ny Sirianina any Beta-Rohoba sy amin’ny Sirianina any Sobà, dia miaramila an-tongotra 20.000, ary any amin’ny mpanjakan’i Maakà koa 2.000 lahy, ary any olona ao Tôba 12.000 lahy.
Fa tao an-tobin’ny Sirianina, dia nampandrenesan’i Iaveh fingodongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Injao fa nanamby ny fanjakan’ny Heteanina sy ny mpanjakan’ny Ejiptianina ho tonga hamely antsika ny mpanjakan’i Israely.»
Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Toy ny fanelin’ny rivotra avy atsinanana no anelezako azy, eo anoloan’ny fahavalony. Ny lamosiko fa tsy ny Tavako no hasehoko azy ireo, amin’ny andro hiharan’ny loza aminy.»
Ny feony dia hoatra ny sasasasan’ny menarana mandeha; satria marobe izy ireo no tonga, dia tonga eo aminy, mitondra famaky, sahala amin’ny mpikapa hazo.
Mandrosoa, ry soavaly; mirimorimoa, ry kalesy! Miaingà, ry mpiady! Ry Etiôpianina sy Libianina mitana ampinga, Ry Lidianina, mitana sy manenjana tsipìka!»
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta; hotapahiko ny sandriny roa, na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka, ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.
Tonga ny andro famaizana! Tonga ny andro fanodiavana; vetivety ho fantatr’i Israely izany. Adala ny mpaminany, ny olona tsindriam-panahy mirediredy foana, noho ny haben’ny helokao sy ny fanoheranao mafy.
Mandrimandry eo ambony farafara ivoara izy ireo; sy mivalandotra eo amin’ny sofàny; mihinana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ondry izy ireo, sy ny zanak’omby voafahy ao an-tranon’omby.
Ny tsara indrindra aminy, no toy ny tsilo; ny mahitsy indrindra, ratsy noho ny fefy roy. - Tonga ny andro voalazan’ny tilinao, tonga ny andro famaizana anao; amin’izao dia efa safo-kenatra izy ireo! -
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: ‹Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra rehetra, koa tongava atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo›.
Kanjo nihanatavy i Jesoròna ka nibohy; - eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao, ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.