Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy, ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.
Jeremia 4:19 - Baiboly Katolika Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady. DIEM PROTESTANTA Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady. Baiboly Protestanta Malagasy Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, Ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon’anjomara sy ny akoran’ady dia renao, ry fanahiko. Malagasy Bible Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko. La Bible en Malgache Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady. |
Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy, ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.
ka nanao tamin-drainy hoe: «Izany an-dohako! Izany an-dohako!» Dia hoy rainy tamin’ny mpanompony: «Ento any amin-dreniny izy.»
Dia nibanjina an’i Hazaela ity olon’Andriamanitra, ka nohandrininy teo io, hany ka nahamenatra azy; dia nitomany ny olon’Andriamanitra.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Ory an’i Moaba ny foko; efa mby ao Segôra sahady ny mpiaro azy, efa ao Eglata-Selisiah. eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita; eny amin’ny lalan’i Hôrônaima, manao antsom-pahoriana ny olona.
Koa mipararetra hoatra ny harpa ny tsinaiko, noho ny amin’i Moaba; sy ny foko noho ny amin’i Kira-Haresa.
Izany no nahafeno tebiteby ny valahako; voan’ny fanaintainana aho, toy ny vehivavy miteraka. Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;
mivadika ny foko, raiki-tahotra aho; ny alina niriko, natao fotoan’ny horohoro ho ahy.
Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy, aoka hitomany mafy aho! Aza maimay hampionona ahy, noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»
Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.
Hoy aho: Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin’ny Anarany intsony aho!... dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin’ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho nefa tsy nahatana azy.
Ho an’ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.
Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema, lazao, mitsofa anjomara ao amin’ny tany, ary manaova antso avo, ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andao hiditra amin’ny tanàna mimanda!
raha hoy ianareo: Tsia, fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon’anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay;
Noho izany, indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hampikotrokotrohako ao Rabàn’ny taranak’i Amôna ny akoran’ady. Dia hanjary antontan-java-drava izy, ary ny zanany hodorana amin’ny afo; ary i Israely kosa handova ny an’ireo efa nandova ny azy, - teny marin’i Iaveh. -
Vao nandre azy tamy izahay, dia niraviravy tanana, velon-tebiteby, azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka.
Mangana aho amin’ny hamanganan’ny zanaka vavin’ny oloko; misaona aho ary raiki-tahotra aho.
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato, sy fieren’amboadia; ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina.
Izany no itomaniako, ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko; fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy, mamelombelona ny aiko. Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa!
Levona azon’ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin’ny tany ny atiko, noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako, raha ilay toran’ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin’ny kianjan’ny tanàna.
Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?
Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin’izany feo izany ny molotro, idiran’ny fahalòvana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
Any amin’ny taninareo raha handeha hiantafika amin’ny fahavalo mananika anareo ianareo, dia hitsoka ny trômpetra mikarantsana, ka ho tonga ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin’ny fahavalonareo.
Ry hava-malala, ny irin’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahazoany famonjena.
Anaka, aminareo aho dia mijaly hoatra ny mihetsi-jaza indray, mandra-pahary an’i Kristy ao anatinareo.
Ny ranon-driaka Sisaona no nanakodia ny fatin’ireny, dia ny ranon-driaka tamin’ny andro fahagola, ny ranon-driaka Sisôna. Mandrosoa an-kasahiana, ry fanahiko ô!