Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, Ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon’anjomara sy ny akoran’ady dia renao, ry fanahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Endre ny kiboko! Endre izany kiboko! Manaintaina aho; endre! Mila ho vaky izany ny foko! Mitoloko ny foko ka tsy mahay mangina aho; fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:19
48 Rohy Ifampitohizana  

kanefa tsy te handray anjara amin’ny fiokoany aho ary tsy te hanatrika ny fivoriany, satria nentanim-pahatezerana izy ka namono olona ho faty ary tia setrasetra ka nitraingo ombilahy.


ary vetivety eo dia niteny taminy hoe: –Dada ô! Maharary ahy loatra izany lohako izany! Ary hoy ny rainy tamin’ny mpanompony anankiray: –Ento haingana any amin-dreniny izy.


Dia nifantoka fijery sy ankona endrika ilay olon’Andriamanitra; avy eo izy vao nitomany.


Nataon’i Davida. Aoka hisaotra ny TOMPO aho, hisaotra eram-po ny anarany masina!


«Milamîna indray, ry fanahiko, fa ny TOMPO efa nanisy soa anao».


Izaho dia mamarin-dranomaso, satria tsy voatandrina ny lalànanao.


Entanin’ny fahatezerana mafy aho fa mandao ny lalànanao ny olon-dratsy.


Haleloià! Aoka hidera ny TOMPO aho!


Hoy aho tamin’ny TOMPO: «Ianao tokoa no Tompoko ka tsy misy hasambarako, raha tsy eo akaikinao!»


Mitaraina ny foko noho ny amin’i Môaba: tonga hatrany Tsôhara sy Heglata-Selisià ny mpandositra. Mitomany ny olona mianika ny fiakaran’i Lohita ary midradradradra mamoy fo eny an-dalana ho any Hôrônaima.


Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin’i Môaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-Heresa.


Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin’ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.


Very hevitra aho ary nangovitra noho ny tahotra; nandrasako ny hariva hampangatsiatsiaka ahy, kanjo nivadika ho fampihorohoroana ahy izany.


Izany no itenenako aminareo hoe: «Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.


Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny TOMPO.


Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.


Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:


Mandra-pahoviana no mbola hijereko ireo faneva famantarana ady sy handrenesako ny feon’ny anjomara?


Ataovy ny fanairana an’i Joda ary ampandreneso ny ao Jerosalema Tsofy ao amin’io tany io ny anjomara, ka miantsoantsoa mafy hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra ao amin’ny tanànamimanda.


fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon’ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!


Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Indro avy ny andro hampandrenesako akoran’ady ao Rabà, renivohitry ny Hamônita. Dia ho tonga tanàna aolo sy rava izy ary ireo tanàna miankina aminy ho kilan’ny afo ka ho lasan’i Israely indray, hoy Aho, ny fananana efa azy fahiny.»


Tabataban’ady no tao amin’io tany io, ary fandringanana goavana!


Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.


Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.


Noho ny fahavoazan’ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon’alahelo mafy!


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»


Izany no loza itomaniako, sy mahatonga ahy hamarin-dranomaso; fa lavitra ahy ilay mpampionona izay afaka hamelombelona ny aiko. Ringana ny zanako, fa nahery ny fahavalo.


TOMPO ô, jereo fa azom-pahoriana aho, ka mandevilevy fiontanana. Mihendratrendratra ato anatiko ny foko, satria nikomy taminao tokoa aho. Eny an-dalambe, naripaky ny sabatra ny zanako; ato an-trano, toa hoatry ny any amin’ny maty.


Jembin-dranomaso ny masoko ary mandevilevy ny fiontanako; azon’ny famoizam-po aho noho ny fahavoazan’ilay firenena mamiko, fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono eny amin’ny kianjan’ny tanàna eny.


Ianao io hazo io, ry mpanjaka! Fa tonga lehibe sady matanjaka ianao; ny fahalehibeazanao dia nitombo ka nahatakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany.


«Izaho Daniela dia nitebiteby hatramin’ny aty fanahiko fa nampitahotra mafy ahy ny fahitana.


«Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»


Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Gaga tamin’izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.


Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?


Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.


«Raha hiantafika hiady amin’ny fahavalo izay mamely eo amin’ny taninareo ianareo, dia hotsofina ny trômpetra sady arahina hoby mba hampahatsiarovanareo Ahy TOMPO Andriamanitrareo hitsimbinako anareo ka hamonjeko anareo ho afaka amin’ny fahavalonareo.


Ry havana, ny irîn’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho an’ny Jiosy dia ny hahazoany famonjena.


Ary raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hioman-kiady?


Rey anaka, mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza indray aho, mandra-pahatongan’ny endrik’i Kristy ho voasokitra ao anatinareo.


Renirano efa nikoriana hatry ny ela, dia ny renirano Kisôna, no nipaoka ny fahavalo. Aoka mba hiroso hiady amin-kerim-po koa aho!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra