Jeremia 4 - Baiboly Katolika1 Raha te-hiverina ianao, ry Israely, - teny marin’i Iaveh - dia miverena amiko. Ka raha esorinao tsy ho eo anatrehako ny fahavetavetanao, dia tsy hirenireny foana intsony ianao! 2 Ary raha ianao mianiana hoe: Velona i Iaveh! ka amim-pahamarinana sy hitsiny ary rariny no ianiananao, dia holazain’ny firenena, fa Izy no hanambina azy ireo ary Izy no hireharehan’izy ireo. 3 Fa izao no lazain’i Iaveh amin’ny olona ao Jodà sy Jerosalema: Asao ny tany vaonareo, ary aza mamafy amin’ny tsilo. 4 Miforà ho an’i Iaveh ianareo, ary ny fonareo no forao, ry olona ao Jodà, sy ry mponina ao Jerosalema, fandrao hipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka handoro, ary tsy hisy olona hamono azy, noho ny haratsian’ny ataonareo. Fanafihana avy any Avaratra (Jereo Jer 1,13-15 ) 5 Torio any Jodà, ary ambarao any Jerosalema, lazao, mitsofa anjomara ao amin’ny tany, ary manaova antso avo, ka lazao hoe: Mivoria ianareo, ary andao hiditra amin’ny tanàna mimanda! 6 Manangàna saina, manandrify an’i Siôna, mandosira ianareo, aza miatoato akory! Fa avy any Avaratra Aho dia hahatonga loza amin’antambo lehibe. 7 Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony. 8 Noho izany misikìna lamba malailay ianareo; mitomania sy midradradradrà; fa ny firehitry ny hatezeran’i Iaveh, tsy nihodivitra antsika. 9 Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - ny mpanjaka ama-mpifehy ho rera-po, ny mpisorona hiraviravy tanana, ary ny mpaminany ho kepoka foana. 10 Ary hoy aho: «Indrisy, Iaveh Tompo ô, nofitahinao izany ity firenena ity, sy i Jerosalema, fony ianao nanao hoe: ‹Hahazo fiadanana ianareo›; kanjo sabatra ity, no hamono mahafaty!» 11 Amin’izany andro izany, dia hilazana ity firenena ity sy i Jerosalema hatao hoe: Misy rivo-mahamay avy any amin’ny havoana any an’efitra, eo amin’ny lalana mankany amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako, ka tsy hikororohana na hanadiovana; 12 rivotra mahery noho ny mahapaoka mololo no tonga mankamiko. Ary amin’izao dia izaho kosa indray no hamoaka ny teny fitsarana momba azy ireo. 13 Indro izy miakatra toy ny rahona; tahaka ny tadio ny kalesiny; miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika fa ringana isika ity! 14 Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao? 15 Fa misy feo avy any Dana, ka manambara, hatrany an-tendrombohitr’i Efraima izy no milaza ny loza ho avy. 16 Ampandreneso ny firenena izany; ambarao azy ireo ny lozan’i Jerosalema. Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra, manao akoralava hamely ny tanànan’i Jodà. 17 Hoatra ny mpiandry saha izy ireo manodidina an’i Jerosalema, satria niodina tamiko izy, - teny marin’i Iaveh. - 18 Izany no tamby, valin’ny fitondran-tena aman’asa ratsinao; izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy! Eny, mihatra amin’ny fo izany! 19 Ny kiboko re! ny kiboko re! mihatra amin’ny vololon’aiko ny fanaintainana! Mikorontana ny foko; tsy afa-mangina aho, fa renao, ry fanahiko, ny feon’anjomara, ny akoran’ady. 20 Fandravana mitongoa fandravana no ambara; fa rava ny tany rehetra. Rava tampoka ny laiko, raha indray mihelina monja ny trano laiko. 21 Mandra-pahoviana re no mbola hahitako ny faneva, sy handrenesako ny feon’anjomara?... 22 Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory. 23 Mijery ny tany aho, ka inty izy tsy misy endrika sady foana; nijery ny lanitra aho, ka tsy nanam-pahazavana intsony izy. 24 Mijery ny tendrombohitra aho, ka mihozongozona izy; ary ny havoana rehetra mivembena avokoa. 25 Mijery aho, ka indro ny olona tsy nisy teo; ary ny voromanidina rehetra efa nandositra. 26 Mijery aho, ka ny sahan-kazo mamoa zary efitra; ary ny tanànany rehetra, rava avokoa eo anatrehan’i Iaveh. 27 Fa izao no lazain’i Iaveh: Ho lao ny tany rehetra, kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy. 28 Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony. 29 Vao re ny feon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka, dia vaky nandositra avokoa ny tanàna; mitsofoka any anaty ala, mananika ny vatolampy ny olona. Nilaozany avokoa ny tanàna, tsy misy mponina intsony. 30 Inona indray no hataonao, ry ilay noravana? Na dia hiakanjo jaky aza ianao, ka hiravaka haingo volamena sy hitentina ny manodidina ny masonao, dia foana ny fanaovanao izay hahatsara tarehy anao; fa manamavo anao ireo lehilahinao, ny ainao no tadiaviny halàna. 31 Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!» |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society