Jeremia 4:6 - Baiboly Katolika6 Manangàna saina, manandrify an’i Siôna, mandosira ianareo, aza miatoato akory! Fa avy any Avaratra Aho dia hahatonga loza amin’antambo lehibe. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 Manangàna faneva manandrify an’i Ziona; mandosira haingana, aza mijanona; fa Izaho hahatonga loza avy any avaratra, dia fandringanana be. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA6 Atsangano tandrifin’i Tsiôna ny faneva, ary mandosira ka aza miato; fa hahatonga loza amin’antambo lehibe avy any avaratra ny Tompo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 Atsangano tandrifin’i Tsiôna ny faneva, ary mandosira ka aza miato; fa hahatonga loza amin’antambo lehibe avy any avaratra ny Tompo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 Manangana faneva manandrify an’i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra. Jereo ny tokoMalagasy Bible6 Manangàna faneva manandrify an'i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache6 Manangàna faneva manandrify an’i Ziona*; mandosira haingana, aza mijanona; fa Izaho hahatonga loza avy any avaratra, dia fandringanana be. Jereo ny toko |
Manaraka izany, - teny marin’i Iaveh, - hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.