Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:27 - Baiboly Katolika

27 Fa izao no lazain’i Iaveh: Ho lao ny tany rehetra, kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy akory.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

27 Izao no lazain’ny TOMPO: «Ho lao ny tany manontolo nefa tsy hofoanako avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Izao no lazain’ny TOMPO: «Ho lao ny tany manontolo nefa tsy hofoanako avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Fa izao no lazain’i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, Nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Fa izao no lazain'i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy akory.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:27
29 Rohy Ifampitohizana  

Izany no nahatanterahan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny vavan’i Jeremia: «Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabany, fa nitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona.»


Noho ny haben’ny famindram-ponao anefa tsy naringanao izy, na nilaozanao, fa Andriamanitra miantra sy mamindra fo Ianao.


Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo ôliva misy ôliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin’ny rantsan’ny hazo, - teny ton’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely.


Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo sy hanavitsy ny mponina aminy, ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.


Mba hahatonga ny taniny ho lao, sy ho zavatra fandatsa mandrakizay; dia hitanàka izay rehetra handalo ao, ary hikifi-doha.


Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.


Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.


Fandravana mitongoa fandravana no ambara; fa rava ny tany rehetra. Rava tampoka ny laiko, raha indray mihelina monja ny trano laiko.


Misy liona miantoraka avy eny an-kirihitrala fiereny, ary ny mpandrava firenena anankiray nangoron-day, niala tamin’ny fitoerany hampanjary efitra ny taninao; ka ho lao ny tanànanao, tsy hisy mponina intsony.


Ka dia niantefa tamin’izy ireo ny fahavinirako amam-pahatezerako, ka nirehitra tamin’ny tanànan’i Jodà sy ny lalam-ben’i Jerosalema, ka tonga tany lao sy efitra izany, araka ny hita ankehitriny izao.


Aza matahotra ianao, ry Jakôba, mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - fa momba anao Aho! Haringako avokoa ny firenena rehetra nandroahako anao. Fa ianao kosa tsy mba haringako. Hofaizako ara-drariny anefa ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.


Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an’i Iaveh ireny!


«Nefa na dia amin’izany andro izany aza, - teny marin’i Iaveh, - tsy dia hofongorako avokoa ianareo.


Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.


Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao, izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao? Nahoana no rava ny tany sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?


Nanjary sosotra tamin’ny ôteliny ny Tompo sy madikidiky amin’ny fitoerany masina. Natolony ho eo an-tanan’ny fahavalo ny mandan’ny lapany; dia nisy nihorakoraka toy ny amin’ny andro fety tao an-tranon’i Iaveh.


Mbola naminany teo aho, dia maty i Feltiasa zanak’i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina tamin’ny feo avo nanao hoe: «Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin’i Israely.»


Nefa niantra tsy te-handringana azy ny masoko, ka dia tsy nolevoniko tany an’efitra izy ireo.


Ny tany, hataoko lao sy zary efitra; ary ny fiavonavon’ny heriny, hitsahatra; ary ny tendrombohitra amin’ny tany ho lao tsy hisy mpandia akory.


Haninji-tanana hamely azy ireo Aho, ka hataoko lao sy simba ny taniny, hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah, dia ho fantany fa Iaveh Aho.


Ny tanànanareo hampanjariko efitra, ny fitoerana masinareo horavako, ary ny hanitra ankasitrahinareo avy amin’ny zava-manitrareo tsy hamboloiko intsony.


Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny.


Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra