Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 4:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema. Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao, satria mihatra hatrany amin’ny fonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; izany no vokatry ny faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema. Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao, satria mihatra hatrany amin’ny fonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Izany no tamby, valin’ny fitondran-tena aman’asa ratsinao; izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy! Eny, mihatra amin’ny fo izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany ho faharatsianao, Eny, mangidy izany sady mihatra amin’ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin'ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; izany no vokatry ny faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ny ainao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:18
15 Rohy Ifampitohizana  

Tao ireo adala toetra nijaly tokoa noho ny hadisoana sy ny heloka vitany,


Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.


Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.


Ny nahatonga izany taminao ve tsy noho ny nandaozanao ny TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitantanany anao teny an-dalana?


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Moa nampamono azy ho faty va i Hezekià mpanjaka sy ny vahoaka rehetra tao Joda? Tsia, fa nanaja ny TOMPO izy ary niezaka hampitony azy. Koa tsy nampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana azy. Fa isika kosa hampidi-doza lehibe ho an’ny tenantsika, raha manameloka ho faty io lehilahy io.


Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!»


Ny helokareo no nanakorontana izany firindrana izany, ny fahadisoanareo no nisakana ny soa ho anareo.


Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.


Nobobohan’ny Tompo zava-mampalahelo aho ary nomamoiny zava-mangidy.


Niafenako tava ireo ho setrin’ny asany maloto amam-pikomiany.


Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra