Aoka hovonoina eo amin’ny bokin’ny fiainana izy ireo; ary tsy ho voasoratra miaraka amin’ny marina izy.
Isaia 53:3 - Baiboly Katolika Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. DIEM PROTESTANTA Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika. Baiboly Protestanta Malagasy Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy; Natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Malagasy Bible Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. La Bible en Malgache Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. |
Aoka hovonoina eo amin’ny bokin’ny fiainana izy ireo; ary tsy ho voasoratra miaraka amin’ny marina izy.
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely; amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka, mpanompon’ny mpanapaka masiaka: «Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky, sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Toy ny nigagan’ny maro nahita azy, - fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, -
Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.
Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry.
Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.
Telo no mpiandry noesoriko tanatin’ny iray volana monja. Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin’ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy.
ka nanao hoe: «Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe: ‹Rehefa afaka hateloana dia hitsangana Aho.›
«Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny Jentily;
dia ho esoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.»
Ary hoy Izy taminy: «Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy; mijanòna eto ianareo, ary miareta tory.»
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy.»
Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy.
sady nampiany hoe: «Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.»
Dia namaly ny Jody ka nanao taminy hoe: «Moa tsy marina ny filazanay fa Samaritanina Ianao sady manana demony?»
Kanjo nihanatavy i Jesoròna ka nibohy; - eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao, ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,