Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 12:7 - Baiboly Katolika

Ary ianao kosa dia mba hiverina amin’ny Andriamanitrao; tandremo ny famindram-po sy ny rariny; ary miandrasa ny Andriamanitrao mandrakariva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao, tandremo ny fahitsiana sy ny rariny, miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

no niteny tamin’i Jakôba hoe: «Miverena amiko Andriamanitrao ianao! Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny; ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

no niteny tamin’i Jakôba hoe: «Miverena amiko Andriamanitrao ianao! Tandrovy ny fitiavana sy ny rariny; ary Izaho Andriamanitrao no itokio hatrany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa miverena amin’Andriamanitrao hianao; Tandremo ny famindrampo sy ny rariny. Ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa miverena amin’Andriamanitrao ianao, tandremo ny fahitsiana sy ny rariny, miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.

Jereo ny toko



Hosea 12:7
28 Rohy Ifampitohizana  

Ny famonjena no antenaiko, ry Iaveh!


Ny mizàna mandainga, dia ankahalain’i Iaveh, fa ny lanja marina no ankasitrahiny.


Avy amin’i Iaveh ny mizàna aman-delany mahiratra, asany avokoa ny vato-mizàna amin’ny kitapo.


Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin’ny lehilahy ary ny olona samy amin’ny mifanakaiky aminy; hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin’ny anti-panahy; ary ny olom-poana amin’ny olo-manan-daza indrindra.


Izao no lazain’i Iaveh: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’i Jerosalema: Ny tanin’ny Kananeanina no niavianao sy nahaterahanao; Amôreana ny rainao, ary Heteanina ny reninao.


Ny vahoaka amin’ny tany manao an-keriny, mandroba lava, manitsakitsaka ny ory sy ny mahantra, ary mampahory tsy an-drariny ny vahiny.


tamin’ny halehiben’ny fahendrenao, tamin’ny varotrao, hampitombo ny harenao, ka dia nanandra-tena ny fonao azon’ny harenao. -


Miverena amin’i Iaveh, ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao.


Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.


satria iriny mafy ny hahita ny vovo-tany eo an-dohan’ny olona ory; sy ataony izay hiketrahan’ny lalan’ny madinika; satria olo-mianaka izy samy mandeha amin’ny zazavavy iray ihany mba handotoany ny Anarako masina;


Ampandreneso eo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao, ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa, ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.»


Henoinareo izao teny izao, ry omby vavin’i Basàna, izay eny an-tendrombohitr’i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny osa, sy manosihosy ny tsy manana, ianareo izay milaza amin’ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika!


Koa noho ianareo manitsakitsaka ny mahantra, sy mampandoa hetram-bary azy; dia nanao trano vato voapaika ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; namboly voaloboka faran’izay tsara ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.


Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.


Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka, ary tsy misy marina intsony amin’ny olombelona. Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra; samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa


Ny vilany rehetra ao Jerosalema sy any Jodà koa, dia ho zava-boatokana ho an’i Iavehn’ny tafika avokoa. Ka izay hanao sorona rehetra, dia ho avy haka amin’ireny sy hahandro ny henany ao aminy avokoa; ary tsy hisy Kananeanina intsony, ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika, amin’izany andro izany.


Dia hoy izy hoe: «Io vehivavy io no haratsiam-panahy.» Dia natosiny ho ao afovoan’ny efah izy io, sady natontany teo am-bavan’io ilay vongam-pìraka.


Izao no nolazain’i Iavehn’ny tafika: «Manaova fitsarana marina; samia mamindra fo sy miantra ny namany avy,


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala: «Esory eto ireo; fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.»


Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.


ary inty aho, ataovy tenin’ny vavolombelona ny amiko eto anatrehan’i Iaveh sy ny voahosony: ombin’iza no mba nalaiko ary ampondran’iza no mba nalaiko? Zovy no mba nanaovako tsy an-drariny, ary iza no nampahoriko? Zovy no nandraisako kolikoly, mba hodiako tsy mahita azy? Fa honerako aminareo izany».