Ka ny lahy matoa nataon’i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: «Efa nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon’ikaky rehetra»;
Genesisy 48:14 - Baiboly Katolika Natsotran’i Israely ny tanany havanana, ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima izay zandriny; ary ny tanany havia tamin’ny lohan’i Manase; niniany natao toy izany ny tanany, fa i Manase no zokiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia natsotran’Israely ny tanany havanana ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima nefa izy no zandriny, fa ny tanany havia kosa no nataony teo amin’ny lohan’i Manase; izany hoe nampifandikainy ny tanany nefa i Manase no lahimatoa. DIEM PROTESTANTA Fa nampifamadihin’i Jakôba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin’ny lohan’i Efraîma na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin’ny lohan’i Manase, kanefa izy io no lahimatoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nampifamadihin’i Jakôba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin’ny lohan’i Efraîma na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin’ny lohan’i Manase, kanefa izy io no lahimatoa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahinjitr’Isiraely ny tànany ankavanana ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima–nefa izy no zandriny–fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ny lohan’i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa. Malagasy Bible Dia nahinjitr'Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa. La Bible en Malgache Dia natsotran’Israely ny tanany havanana ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima nefa izy no zandriny, fa ny tanany havia kosa no nataony teo amin’ny lohan’i Manase; izany hoe nampifandikainy ny tanany nefa i Manase no lahimatoa. |
Ka ny lahy matoa nataon’i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: «Efa nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon’ikaky rehetra»;
ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: «Efa nampitombo ahy Andriamanitra aty amin’ny tany nijaliako.»
izay naterak’i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona ao Ona, dia i Manase sy i Efraima.
dia noraisin’i Josefa izy mirahalahy, i Efraima tamin’ny ankavanany, ho eo ankavian’i Israely; ary i Manase tamin’ny ankaviany, ho eo ankavanan’i Israely, dia nampandrosoiny izy ireo.
Nony hitan’i Josefa fa napetra-drainy tamin’ny lohan’i Efraima ny tanany havanana, dia tsy sitrany izany, ka nalainy ny tanan-drainy hesoriny eo ambonin’ny lohan’i Efraima hatao eo amin’ny an’i Manase.
Ary hoy i Josefa tamin-drainy: «Tsy izao no izy, ry ikaky, fa ity no lahy matoa ka apetraho eo amin’ny lohany ny tananao havanana.»
Salamon’i Davida. I Iaveh nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Iaveh ô! nigagana noho ny heriny ny tananao havanana, Iaveh ô! nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.
Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:
Ny Levita, hasainao manatona eo anatrehan’i Iaveh, ary ny zanak’i Israely hametraka ny tanany amin’ny Levita.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Tamin’izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ary raha mivavaka ianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagoga sy eny an-joron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Dia nametrahany tanana izy, ka nitraka niaraka tamin’izay, sy nankalaza an’Andriamanitra.
Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy Izy, dia nahasitrana azy.
Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy, ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.
Aza malaky mametra-tanana amin’iza na iza, ary aza miombona ota amin’olona, fa tahirizo madio ny tenanao.