Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 46:20 - Baiboly Katolika

20 izay naterak’i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona ao Ona, dia i Manase sy i Efraima.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Ny zanakalahin’i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’i Josefa tany amin’ny tany Ejipta, dia i Manase sy i Efraima.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Tany Ejipta i Jôsefa dia niteraka zanaka roa lahy, i Manase sy i Efraîma, tamin’i Asenata vadiny, izay zanakavavin’i Pôtifera mpisorona tao Ona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Tany Ejipta i Jôsefa dia niteraka zanaka roa lahy, i Manase sy i Efraîma, tamin’i Asenata vadiny, izay zanakavavin’i Pôtifera mpisorona tao Ona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary ny zanakalahin’i Asenata, zanakavavin’i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’i Josefa tany amin’ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 46:20
15 Rohy Ifampitohizana  

Nomen’i Faraôna anarana hoe Tsafnata-Paneaka i Josefa; ary natolony ho vadiny i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga i Josefa hamangy ny tany Ejipta.


Zana-dRasela vadin’i Jakôba: i Josefa sy i Benjamina. Ny zanak’i Josefa tany amin’ny tany Ejipta,


Taorian’izany nisy tonga nilaza tamin’i Josefa hoe: «Indro marary i rainao.» Nentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima zanany mirahalahy.


Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: «Aminao no hitsofan’i Israely rano, hoe: ‹Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy i Manase anie ianao.› » Toy izany no nanaovany an’i Efraima ho alohan’i Manase.


Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.


Fa mizara ho foko roa ny taranak’i Josefa dia i Manase sy i Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin’ny tany ny Levita afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ho an’ny biby ompiany sy ny fananany.


Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra