Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.
Genesisy 28:19 - Baiboly Katolika Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna teo aloha. DIEM PROTESTANTA Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna tany aloha. Malagasy Bible Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha. La Bible en Malgache Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna teo aloha. |
Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.
Nony tonga tao amin’ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro. Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana, dia nandry teo, tamin’izany fitoerana izany.
Izaho no Andriamanitr’i Betela izay nanosoranao tsangam-bato sy nanaovanao voady. Ary ankehitriny, miaingà ianao, mialà amin’ity tany ity, ka modia any amin’ny tany nahaterahanao.› »
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: «Andeha ianao miakatra an’i Betela ka monena any, manangàna ôtely any, ho an’ilay Andriamanitra niseho taminao, fony ianao nandositra teo anoloan’i Esao, rahalahinao.»
Ary i Jakôba nanorina tsangam-bato teo amin’ilay fitoerana niresahany taminy, ka nandraraka fanatitra araraka teo amboniny, sy nandrotsaka diloilo teo.
Ary i Jakôba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin’ny tany Kanaana, dia i Betela izany.
Dia nanorina ôtely teo izy, ka nataony hoe El-Betela ny anaran’io tany io, satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy, fony izy nandositra teo anoloan’ny rahalahiny.
Ary hoy i Elia tamin’i Elisea: «Mijanòna eto raha sitrakao, fa irahin’i Iaveh ho tafahatra any Betela aho.» Fa hoy kosa ny navalin’i Elisea: «Velona i Iaveh ary velona ny ainao! tsy handao anao mihitsy aho!» Dia nidina nankany Betela izy ireo.
Notanahin’i Abià i Jerôbôama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: i Betela sy ny tanàna momba azy, i Jesàna sy ny tanàna momba azy, i Efrôna sy ny tanàna momba azy.
Raha ianao no mijangajanga, ry Israely, aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka! aza mankany Galgalà na miakatra any Betavena ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!
Avy ao Betela ny faritry ny tany nihatra tamin’ny Lozy, ary nihazo tamin’ny faritry ny tanin’ny Arkeanina ao Atarôta,
Avy eo ny faritra dia nahazo an’i Lozy amin’ny kisolosolon’i Lozy any atsimo, dia i Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarôt-Adara, nihazo tamin’ny tendrombohitra ao atsimon’i Betôrôna ambany.
Dia naka lehilahy sahabo ho dimy arivo i Jôsoe, napetrany ho otrika eo anelanelan’i Betela sy i Haia, teo andrefan-tanàna.
Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh,
Avy eo ianao, dia hanohy ny dianao, ary ho tonga eo amin’ny aokan’i Tabôra, ka hotsenain’olona telo lahy miakatra ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny iray mitondra zanak’osy telo, ny iray mitondra mofo telo, ny iray mitondra divay iray siny hoditra;
Isan-taona dia nandeha izy nitety an’i Betela sy i Galgalà ary i Masfà ka nitsara an’i Israely tamin’ireo fitoerana rehetra ireo.