Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 28:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna teo aloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna tany aloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:19
21 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.


Ary tratry ny masoandro milentika teo amin’ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin’izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo.


Izaho no Andriamanitra Izay niseho taminao tao Betela, ka nanosoranao tsangambato sy nivoadianao. Miaingà ankehitriny, ilaozy ity tany ity ka miverena any amin’ny tany misy ny fianakavianao.»


Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: –Miaingà, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an’ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an’i Hesao rahalahinao.


I Jakôba kosa nanorina tsangambato teo ka nanoso-menaka ilay tsangambato sy nandraraka divay teo amboniny.


Dia nantsoin’i Jakôba hoe «Betela» na Tranon’Andriamanitra io toerana izay nitenenan’Andriamanitra taminy io.


I Jakôba sy ireo rehetra niaraka taminy dia tonga tao Lozy, izany hoe tao Betela izay ao amin’ny tany Kanahàna.


Ary nanamboatra alitara teo izy, ka niantso an’io toerana io hoe Andriamanitr’i Betela; satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.


Ary hoy i Jakôba tamin’i Jôsefa: –Niseho tamiko tao Lozy tany amin’ny tany Kanahàna ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy


Ny sarivongana volamena iray dia napetrany tao Betela ary ny iray kosa tao Dana.


Ary hoy i Elià tamin’i Elisà: –Mijanòna eto re ianao, fa irahin’ny TOMPO hankany Betela aho. Fa novalian’i Elisà hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Betela izy mianaka.


Nanenjika an’i Jerôbohama i Abià ka nisy azony ny tanànany, dia i Betela sy i Jesanà ary i Hefrôna mbamin’ireo tanàna madinika manodidina azy avy.


Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: «Velona ny TOMPO...!»


Dia mankany Lozy, mandalo an’i Hatarôta izay sisin-tanin’ny Arkita,


avy eo dia mankany Lozy ka mandalo amin’ny ilany atsimon’i Lozy izay antsoina koa hoe Betela, ary midina ho any Hatarôta-Adara, rehefa avy mandalo ny tendrombohitra eo atsimon’i Bety-Hôrôna ambany.


Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.


Ary nandeha niakatra tany Betela ny Israelita rehetra sy ny tafiny manontolo ka nipetraka nitomany teo anatrehan’ny TOMPO; tamin’izay dia nifady hanina mandra-paharivan’ny andro izy sady nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.


Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay.


Isan-taona izy dia nandeha nitety an’i Betela sy i Gilgala ary i Mitsepà ka nitsara tamin’ireo tanàna telo ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra