Izao no taranak’i Tare: I Tare niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna. I Aràna niteraka an’i Lôta.
Genesisy 24:15 - Baiboly Katolika Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha mbola tsy tapitra ny teniny dia indro, tamy i Rebeka izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. DIEM PROTESTANTA Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. Malagasy Bible Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. La Bible en Malgache Raha mbola tsy tapitra ny teniny dia indro, tamy i Rebeka izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. |
Izao no taranak’i Tare: I Tare niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna. I Aràna niteraka an’i Lôta.
I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.
Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
ka aoka izay zazavavy hilazako hoe: ‹Ahilano kely ny sininao mba hisotroako› ka hamaly hoe: ‹Misotroa, fa hampisotroiko koa ny ramevanao,› no ho ilay notendrenao ho an’i Isaaka mpanomponao. Ary izany no hahafantarako fa nampisehoanao hatsaram-po tokoa ny tompoko.»
Dia hoy ny navaliny: «Zanakavavin’i Batoela zanak’i Melkà, izay naterany tamin’i Nakôra aho.»
Mbola tsy tapitra akory ny teny anakampo nataoko, dia inty i Rebekà nivoaka nitondra ny sininy teny an-tsorony, nidina nantsaka teo am-pantsakana; ka hoy aho taminy: ‹Mba omeo kely aho hosotroiko, raha sitrakao.›
i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Dia hoy izy taminy: «Mba fantatrareo va i Labàna zanak’i Nakôra?» Ary hoy ny navaliny: «Fantatray izy.»
Mbola, niresaka tamin’ireo teo i Jakôba, no tonga i Rasela nitondra ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.
Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan’ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah.
Ary hoy i Rota ilay Moabita tamin’i Nôemì: «Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.» Ka hoy izy namaly azy: «Andeha, anaka.»
Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin’ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin’ireo hoe: «Ao ihany va ny mpahita?»