Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 11:29 - Baiboly Katolika

29 I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Samy naka vady i Abrama sy i Nahora; ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’Iska.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’i Iska.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Samy naka vady i Abrama sy i Nahora; ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’Iska.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 11:29
7 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.


Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak’idada, fa tsy zanak’ineny, ka dia novadiko.


Tatỳ aorian’izany, nisy nampandre vaovao tamin’i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin’i Nakôra rahalahinao koa i Melkà,


I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.


Naka folo tamin’ny ramevan’ny tompony, ilay mpanompo, dia niainga handeha, ary nananany fahefana avokoa ny fananan’ny tompony. Dia nitsangana izy, ka any Mesôpôtamia any an-tanànan’i Nakôra no nalehany.


Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.


Dia hoy ny navaliny: «Zanakavavin’i Batoela zanak’i Melkà, izay naterany tamin’i Nakôra aho.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra