Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 25:20 - Baiboly Katolika

20 i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 I Abrahama dia niteraka an’Isaka. Efapolo taona Isaka raha nampakatra an’i Rebeka, zanakavavin’i Betoela arameana, avy tany Padana-Arama, sady anabavin’i Labana arameana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

20 Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Abrahama niteraka an’Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’i Labana Syriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:20
18 Rohy Ifampitohizana  

I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.


Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.


Nanana anadahy anankiray atao hoe Labàna i Rebekà, ka nivoaka nihazakazaka i Labàna nankeo amin-dralehilahy teo amin’ny loharano.


Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.


Efa enimpolo taona i Isaaka tamin’ny nahaterahan’izy ireo.


Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,


Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.


«Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana, ary nanaiky ny tenin-dray aman-dreniny i Jakôba ka lasa nankany Padan-Arama.»


Nentiny avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny harena azony rehetra, dia ny biby fiompy nananany, izay azony tany.


Ary i Jakôba namitaka an’i Labàna Arameanina, fa tsy nampandrenesiny azy ity hitsoahany.


Fa Andriamanitra kosa tonga tamin’i Labàna Arameanina, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: «Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.»


Dia tafaverina avy any Padan-Arama i Jakôba, ka tonga soa aman-tsara tao Sikema, amin’ny tany Kanaana, ary nitoby teo anoloan’ny tanàna.


Zanak’i Zelfah, ankizivavin’i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakôba, naterany tany Padan-Arama.


Niseho tamin’i Jakôba indray koa Andriamanitra nony tafaverina avy any Padan-Arama izy, sady nitso-drano azy.


Ireo no zanakalahin’i Lià, naterany tamin’i Jakôba tany Padan-Arama, ary i Dinà no zanany vavy. Telo amby telopolo no isan’ny zanany lahy rehetra mbamin’ny zanany vavy.


ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany.»


Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra