Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 17:16 - Baiboly Katolika

Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko



Genesisy 17:16
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»


Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.


Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.»


Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.


Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.


Hampitomboiko dia hampitomboiko ianao, hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka avy aminao.


Namangy an’i Sarà i Iaveh araka ilay efa voalazany, notanterahin’i Iaveh tamin’i Sarà ny efa nampanantenainy.


Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»


Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»


Ary hoy Andriamanitra taminy: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Maroa fara sy mitomboa; firenena sy fikambanam-pirenena no ho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’izay haloaky ny kibonao.


Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin’ny tanin’i Edôma, talohan’ny nisian’ny mpanjaka nanjaka tamin’ny zanak’i Israely.


Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.


Ary toy izao no teny fampanantenana iray: Amin’ny herintaona toy izao dia ho avy indray Aho, ary hahazo zazalahy i Sarà.


Ilay zanak’andevovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak’olona afaka, araka ny fampanantenana.


tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany ianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo.