Genesisy 25:23 - Baiboly Katolika23 Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201123 Hoy NY TOMPO taminy: Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrany an-kibonao; ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray, koa ny zokiny dia hanompo ny zandriny. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA23 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; Ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; Ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. Jereo ny tokoMalagasy Bible23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache23 Hoy NY TOMPO taminy: Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrany an-kibonao; ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray, koa ny zokiny dia hanompo ny zandriny. Jereo ny toko |