Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ka ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:16
17 Rohy Ifampitohizana  

Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»


Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Fa hoy ny TOMPO taminy: –Tsy handova anao izy, fa ilay haterakao ihany no handova anao.


Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Abrahama: –I Saray vadinao dia tsy hantsoina intsony hoe Saray; fa hatao hoe Sarà ny anarany.


Fa namaly Andriamanitra hoe: –Tsia, fa i Sarà vadinao dia hiteraka zazalahy ho anao ka ny anarany hataonao hoe Itsehàka. Hotanako ny fanekempihavanako aminy sy amin’ny taranany mandimby azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.


Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao.


Nitahy an’i Sarà ny TOMPO ka notanterahiny taminy tokoa izay nampanantenainy.


Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!


Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.


sady hoy koa Izy taminy: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin’ny taranakao.


Ireto avy ny mpanjaka nifandimby nanjaka tao amin’ny tany Edôma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin’ny Israelita.


Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.


Satria toy izao ny teny fampanantenana: «Raha avy taona toy izao, dia hiverina aho ka hahazo zazalahy i Sarà!»


Kanefa ilay tamin’ny vehivavy mpanompo dia nateraka araka ny maha olombelona fotsiny, fa ilay tamin’ny vehivavy tsy mpanompo dia nateraka noho ny fampanantenana nataon’Andriamanitra.


tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy niantso azy hoe «tompoko». Zanak’i Sarà ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra