Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia niankohoka i Abrahama ary nihomehy sady niteny anakampo hoe: Efa zato taona va aho dia mbola hiteraka ihany? Ary i Saraha izay efa sivifolo taona va mbola hiteraka ihany koa?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Dia niankohoka i Abrahama ary nihomehy sady niteny anakampo hoe: Efa zato taona va aho dia mbola hiteraka ihany? Ary i Saraha izay efa sivifolo taona va mbola hiteraka ihany koa?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:17
26 Rohy Ifampitohizana  

Koa hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: –Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao!


Dia niankohoka i Abrama; ary hoy indray Andriamanitra taminy:


Samy antitra i Abrahama sy i Sarà fa samy nandroso taona; ary i Sarà dia efa nitsahatra tamin’ny fadimbolana.


Koa nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin’izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?»


Ary efa feno zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Itsehàka zanany lahy.


Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko.


Ary hoy koa izy hoe: –Iza moa no afaka hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Sarà? Kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin’ny fahanterany aho.


Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.


Dia nitsangana i Jôba ka nandriatra ny fitafiany sy nanaratra ny lohany ary niampatra tamin’ny tany ka niankohoka


Ny fahazavana manodidina azy dia tahaka ny an’ny avana izay mamirapiratra amin’ny andro manerika. Taratry ny voninahitry ny TOMPO izany. Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka hatreo amin’ny tany, ary nandre feo niteny tamiko.


Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin’ny tany. Fa hoy izy tamiko: ‹Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak’olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran’ny fotoana.›


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


Niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny fiangonan’ny Israelita rehetra vory teo i Mosesy sy Aharôna.


Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?


Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.


Fa hoy i Zakarià tamin’ny anjely: –Fomba ahoana no hahazoako antoka an’izany? Izaho ity efa antitra ary ny vadiko efa zokiolona ihany koa.


Heni-karavoana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.


Ary niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha indray aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ny fahotana rehetra vitanareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy teo imason’ny TOMPO ka nampahatezeranareo Azy no anton’izany.


Noho ny TOMPO efa nilaza handringana anareo, dia niankohoka teo anatrehany aho ary tsy nitsahatra mihitsy nandritra izany efapolo andro sy efapolo alina izany.


Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko?


Dia nandriatra fitafiana i Josoa sy ireo loholon’i Israely ka nanosom-bovoka ny lohany sady niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro.


Ary ny loholona 24 izay samy mipetraka eo ambony sezafiandrianany eo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra


Rehefa nandray ny horonamboky Izy, dia niankohoka teo anoloan’ny Zanakondry ny zava-miaina efatra sy ny loholona 24. Samy nanana lokanga anankiray avy ny loholona ary koa lovia volamena feno vovo-javamanitra, dia ireo lovia tandindon’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra.


dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra