Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny.
Genesisy 12:15 - Baiboly Katolika Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraôna ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahita azy koa ireo tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia noentina tao an-tranon’i Farao izy. DIEM PROTESTANTA Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin’ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan’ny Farao ilay ramatoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin’ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan’ny Farao ilay ramatoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahita azy ny tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia nentina tao an-tranon’i Farao izy. Malagasy Bible Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy. La Bible en Malgache Nahita azy koa ireo tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia noentina tao an-tranon’i Farao izy. |
Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny.
I Sarà vadiny no lazain’i Abrahama hoe: «Anabaviko io.» Naniraka olona haka an’i Sarà i Abimeleka mpanjakan’i Jerara.
Nanontanian’ny olona tompon-tany ny amin’ny vadiny izy, ka namaly hoe: «Anabaviko io.» Satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin’ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy.
Ka tezitra i Faraôna tamin’ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lehiben’ny mpitantana mofo.
Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy i Faraôna: Indro nitsangana teo amoron’ny ony izy;
Nisy fihavanam-panambadiana nampiray an’i Salômôna tamin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, fa nanambady ny zanaka vavin’i Faraôna izy, dia nitondra azy ho ao an-tanànan’i Davida, mandra-pahatapitra ny fanorenana ny tranony sy ny tranon’i Iaveh ary manda manodidina an’i Jerosalema.
Indro fa volotara vaky no itokianao ankehitriny, dia i Ejipta, ka izay mitehina aminy voatsindrony sy voatrobany avokoa, fa izany tokoa i Faraôna mpanjakan’i Ejipta ho an’izay rehetra matoky azy.
Nony ren’i Faraôna ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina i Môizy, saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy, ka nankany amin’ny tany Madiàna, dia nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana.
Dia nidina handro eo amin’ny ony ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony teny ny zazavavy namany. Rehefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain’ilay ankizy vaviny.
Toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany: rehefa mikasika azy izy tsy maintsy hitondra faisana.
I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra,
Izao no fiantsoantsony any: «Voa i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta; nandiso ny fotoana mety izy!»
Ry zanak’olona, manaova hira fitomaniana an’i Faraôna, mpanjanak’i Ejipta, ka lazao aminy hoe: Ry lion’ny firenena ô, levona ianao! Tahaka ny mamba teo anatin’ny ranomasina ianao, niezaka tany amin’ny oninao ianao, ary nanakobana ny ranony tamin’ny tongotrao, ary nandoto ny lakan-dranony.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.