Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon’ny olon’Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin’i Elisea hoe: «Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika?»
1Tantara 21:13 - Baiboly Katolika Ary hoy i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon’ny tanan’i Iaveh aho, fa be famindram-po indrindra Izy, fa tsy ho azon’ny tanan’olombelona aho!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Davida tamin’i Gada: Tery loatra aho! Nefa aleoko ho azon’ny tanan’NY TOMPO, fa lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO toy izay ho azon’ny tanan’olombelona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny Tompo! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO toy izay ho azon’ny tanan’olombelona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny Tompo! Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Davida tamin’i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon’ny tànan’i Jehovah,–fa lehibe ny famindrampony–toy izay ho azon’izay tànan’olona. Malagasy Bible Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona. La Bible en Malgache Ary hoy i Davida tamin’i Gada: Tery loatra aho! Nefa aleoko ho azon’ny tanan’NY TOMPO, fa lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona. |
Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon’ny olon’Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin’i Elisea hoe: «Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika?»
Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin’ny Sirianina: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika.»
Nisy mpaminanin’i Iaveh kosa tao atao hoe Obeda; dia nivoaka izy hitsena ny miaramila sady nankany Samaria, ka nanao taminy hoe: «Noho ny hatezeran’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo tamin’i Jodà no nanolorany azy ho eo an-tananareo, ka efa namono azy tamin-karomotana manakatra ny lanitra ianareo.
Ny razanay tany Ejipta tsy nihevitra ny fahagagana nataonao, tsy nahatsiaro ny hamaroan’ny fahasoavanao; niodina teo amoron-dranomasina, dia ny Ranomasina Mena.
Apetraho amin’i Iaveh ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin’i Iaveh no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.
Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.
Aoka ny onjan-drano tsy hanafotra ahy intsony, ny hantsana tsy hitelina ahy; ny fasana tsy hikatona amiko.
Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.
Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.
Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tananao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere, eny amin’ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao, ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao? Niato izany raha ny amiko.
Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh, ny fiderana an’i Iaveh, noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika, noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely, izay nasehony azy araka ny fiantràny sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.
Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka mba tsy haripaka isika».
Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.
Iaveh ô, nandre izay nampandrenesinao aho, dia raiki-tahotra aho, Iaveh ô! Velomy ny asanao amin’ny taona mifandimby; ataovy fantatra amin’ny taona mifandimby izy. Na eo amin’ny hatezeranao aza, mahatsiarova ny hamindra fo.
Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin’izao ora izao.
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra: