1Tantara 21 - Baiboly Katolika3. HAORINA NY TEMPOLY Fanisana ny vahoaka (Jereo 2Sam 24,1-9 ) 1 Ary nitsangan-kamely an’i Israely i Satana ka namoky an’i Davida hanisa an’i Israely. 2 Dia hoy i Davida tamin’i Jôaba sy ny mpifehy vahoaka: «Mandehana isao i Israely hatrany Bersabea ka hatrany Dana, dia manaova filazana amiko, mba hahalalako ny isany.» 3 Fa hoy ny navalin’i Jôaba: «Hotongavin’i Iaveh injato toy izao anie ny hamaroan’ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon’ny tompoko va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan’ny tompoko an’izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin’i Israely?» 4 Fa ny tenin’ny mpanjaka nanohitra an’i Jôaba no nahery; ka dia niainga i Jôaba nitety an’i Israely rehetra, ary niverina tao Jerosalema. 5 Natolotr’i Jôaba an’i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 1.100.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Israely rehetra, ary 470.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Jodà. 6 Fa i Levì sy i Benjamina tao amin’izy ireo, tsy mba nanaovany fanisana, satria nolavin’ny sain’i Jôaba ny didin’ny mpanjaka. Ny pesta sy ny famelan’Andriamanitra (Jereo 2Sam 24,10-17 ) 7 Tsy sitrak’Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny i Israely. 8 Dia hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Efa nanao fahotana lehibe aho tamin’izao nataoko izao, koa ankehitriny mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa tena nanao toy ny adala tokoa aho.» 9 Niteny tamin’i Gada, mpahitan’i Davida, i Iaveh, nanao hoe: 10 «Mandehana milaza amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Zavatra telo no ataoko eo anoloanao, ka ny iray no fidio dia hataoko aminao.» 11 Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: 12 Mifidiana ianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosen’ny fahavalonao anao sy hahavoazan’ny sabatry ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran’ny sabatr’i Iaveh sy ny pesta amin’ny tany, ka hahavita fandringanana eran’ny tanin’i Israely ny Anjelin’i Iaveh? Hevero amin’izao izay valy homeko an’izay naniraka ahy.» 13 Ary hoy i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon’ny tanan’i Iaveh aho, fa be famindram-po indrindra Izy, fa tsy ho azon’ny tanan’olombelona aho!» 14 Ka dia nandefa pesta hamely an’i Israely i Iaveh, ka nahafatesana 70.000 ny olona amin’i Israely. 15 Ary naniraka Anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery i Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy Izy tamin’ilay Anjely nandrava: «Aoka izay! Avonkino amin’izay ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay. 16 Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo. 17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian’ikaky no aoka hasian’ny tananao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana!» Ny nananganana ny ôtely (Jereo 2Sam 24,18-25 ) 18 Dia nasain’ilay Anjelin’i Iaveh nilazan’i Gada i Davida hiakatra hanangana ôtely ho an’i Iaveh, ao am-pamoloan’i Ornàna Jeboseanina. 19 Ka niakatra araka ny teny nolazain’i Gada tamin’ny Anaran’i Iaveh i Davida. 20 Niherika i Ornàna ka nahita ilay Anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin’izay i Ornàna. 21 Nony tonga teo akaikin’i Ornàna i Davida, nijery i Ornàna ka nahita an’i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Davida. 22 Dia hoy i Davida tamin’i Ornàna: «Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako ôtely ho an’i Iaveh; afoizo ho ahy amin’izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan’ny aretina mandringana ny vahoaka.» 23 Ary hoy i Ornàna tamin’i Davida: «Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany.» 24 Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.» 25 Koa nomen’i Davida volamena lanjan’enin-jato sikla i Ornàna ho vidin’ny tokotany. 26 Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana. 27 Dia niteny tamin’ilay Anjely i Iaveh, ka nampidirin’io tamin’ny tranony ny sabany. 28 Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Davida fa nihaino azy i Iaveh tao amin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina, dia nanatitra sorona tao izy. 29 Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay. 30 Tsy tohan’i Davida anefa ny nankeo anoloan’izany ôtely izany, hanaja an’Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr’ilay Anjelin’i Iaveh. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society