Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 21:24 - Baiboly Katolika

24 Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin’i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’izay azoko fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 21:24
9 Rohy Ifampitohizana  

fa tsy haka amin’izay rehetra mety ho anao, hatramin’ny singan-taretra ka hatramin’ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: ‹Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.› »


ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »


mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin’ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa.»


Fa hoy ny mpanjaka tamin’i Areonà: «Tsia, fa tiako hovidina vola ihany aminao ireo, fa tsy hanatitra sorona dorana azoko maimaim-poana ho an’i Iaveh Andriamanitro aho.» Dia volafotsy 50 sikla no nividianan’i Davida ny famoloana sy ny omby.


Ary hoy i Ornàna tamin’i Davida: «Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany.»


Koa nomen’i Davida volamena lanjan’enin-jato sikla i Ornàna ho vidin’ny tokotany.


Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra