Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 21:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin’i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an’i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin’izay azoko fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 21:24
9 Rohy Ifampitohizana  

hianianako fa tsy mba handray avy amin’izay rehetra anao aho, na dia singan-kofehy na fehin-kapa iray aza. Sao manko lazainao hoe: «Izaho no nampanankarena an’i Abrama.»


dia niteny tamin’i Hefrôna mba ho ren’ny besinimaro ka nanao hoe: –Raha marina fa hihaino ahy tokoa ianao, mba raiso avy amiko ny vidin’ny saha efa natolotro; dia haleviko ao tokoa ny fatin’ny vadiko.


mba hanomezany ahy ny lava-bato ao Makpelà amin’ny sisin’ny sahany. Aoka ho amin’ny tena vidiny no hanomezany azy ho ahy eto anatrehanareo ho toeram-pandevenana.


Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Araonà: –Tsia, tsy homenao ahy maimaim-poana ireo fa hovidiko araka izay tena vidiny. Tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitro. Dia novidin’i Davida tamin’ny sekela volafotsy dimampolo ny famoloana sy ny omby.


Fa hoy i Araonà tamin’i Davida: –Ento ho anao ny tokotany, ry andriamanjaka, ary ataovy izay sitrakao; indreto ny ombiko omeko anao koa ho sorona dorana manontolo, ny rambaramba ho kitay, ary ny vary ho fanatitra. Omeko anao avokoa ireo rehetra ireo.


Dia nomen’i Davida sekela volamena eninjato i Araonà ho vidin’ny tokotany.


Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason’ny olona rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra