Jona 3:9 - Baiboly Katolika9 Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka mba tsy haripaka isika». Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahalany ritra antsika? Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA9 Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Iza no mahalala? Angamba hiova fanapahan-kevitra ihany Andriamanitra ka hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahafaty antsika.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahalany ritra antsika? Jereo ny toko |
Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Dia hoy ny navaliny: «Vay volamena dimy, sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ny andrian’ny Filistinina, fa aretina iray ihany no nahazo anareo sy ny andrianareo. Koa manaova sarin’ny vainareo sy sarin’ny totozinareo, izay manimba ny tany; izany no anomezo voninahitra ny Andriamanitr’i Israely; fa angamba Izy hitsahatra tsy hanampatra ny tanany aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo.