Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 7:18 - Baiboly Katolika

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an’izay sisa amin’ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao izay manaisotra heloka sady mamela ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy fa tia mamindra fo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindrampo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao izay manaisotra heloka sady mamela ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy fa tia mamindra fo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 7:18
80 Rohy Ifampitohizana  

Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»


Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na amin’ny lanitra ambony na amin’ny tany ambany, fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa,


Fa raha miverina amin’i Iaveh ianareo, dia hahita famindram-po amin’ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny Tavany, raha miverina aminy ianareo.»


«Henoy ny fitarainan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha hivavaka eto amin’ity fitoerana ity. Mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra; mihainoa dia mamelà heloka.


Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.


Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy.


Fa ao aminao ny famelan-keloka, mba hanajan’ny olona Anao.


Ny taolako rehetra hanao hoe: Iaveh ô, iza no tahaka Anao, izay manafaka ny malahelo amin’ny mahery noho izy, mbamin’ny malahelo sy ny mahantra amin’izay mamabo azy?


Ianao, izay mihaino ny fivavahana, dia mankaminao ny olona rehetra.


Tsindrian-keloka miavosa aho ity; Ianao no mamela ny hadisoanay.


Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra, Ianao izay mahefa ny zava-dehibe! - Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? -


Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.


Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.


Ry Iaveh, ny lanitra mankalaza ny fahagagana ataonao, mbamin’ny fahamarinanao eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.


Mahatahotra Andriamanitra eo amin’ny fiangonam-ben’ny olo-masina, mahatahotra ho an’ireo rehetra manotrona Azy Izy.


Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?


nanao hoe: «Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka ity. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.»


Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.


Tsy misy mponina manao hoe: «Marary aho!» Nahazo ny famelana ny helony, ny vahoaka monina ao Siôna.


koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.


Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy?


Koa iza àry no hampitovinareo Ahy, ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?


Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.


Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao; ary toy ny rahona ny fahotanao; ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.


aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.


Reraka noho ny fandehandehananao matetika ianao; tsy mba nilaza hoe: «Aim-bery foana izany!» Hitanao fa mbola misy hery ny tananao, ka izany no tsy ahatsiarovanao marary.


Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy sy ny aina izay nataoko.


Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran’ny zanakao anao; ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.


Ireo tanàna masina, tonga efitra; i Siôna zary efitra, i Jerosalema, tany maty.


Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho, sy ho ravoravo amin’ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony, na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.


Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.


Izany no lazainao, nefa mbola manao ratsy ihany ianao, sady mahatanteraka izany.»


Moa zanaka malala loatra ho ahy va i Efraima, zanaka mahazo tombom-pitia? fa isaky ny miteny mamely azy Aho, dia mba mahatsiaro azy ihany indray; ka mangotika ny atiko noho ny aminy? Eny hamindra fo aminy Aho. - teny marin’i Iaveh. -


Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.


Hataoko fifaliana ho Ahy ny manao soa aminy, ka hamboleko marina tokoa amin’ity tany ity izy ireo, amin’ny foko rehetra sy amin’ny fanahiko rehetra.


Hodioviko izy ho afaka amin’ny haratsiany rehetra izay nanotany tamiko. Havelako izy amin’ny helony rehetra izay nanevatevany Ahy, izay niodinany tamiko.


dia nivoaka avy tao an-tranon’ny mpanjaka i Abdemeleka, ka niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe:


Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, - teny marin’i Iaveh, - hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany, ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany, satria havelako heloka izay sisa navelako.


Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,


Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?


Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»


Tsy hotsarovana intsony ny fahotany rehetra izay nataony; efa nanaraka ny hitsiny sy ny rariny izy, ka ho velona marina tokoa.


Miverena amin’i Iaveh, ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao.


Hositraniko ny fiodinany; ho tiako amin’ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako.


Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,


Hoy i Iaveh tamiko: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Ka namaly aho hoe: «Kofehy pilao». Dia hoy ny Tompo: «Indro Aho manisy ny kofehy pilao, eo amin’i Israely vahoakako; fa tsy hamela ny helony intsony.


Ary hoy izy: «Inona no hitanao, ry Amôsy?» Dia hoy ny navaliko: «Voankazo masaka iray sobiky.» Ka hoy i Iaveh tamiko: «Tonga ny farany ho an’i Israely vahoakako: Tsy hamela azy intsony Aho, izao sisa izao.


Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.


Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô, hangoniko izay sisa amin’i Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany.


Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka i Iaveh hanjaka amin’izy ireo ao an-tendrombohitra Siôna hatramin’izay ka ho mandrakizay.


Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’i Iaveh, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.


Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela; aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy, toy ny tamin’ny andro taloha.


I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.


Tsy mahita faharatsiana amin’i Jakôba Izy, tsy mahita tsy fahamarinana amin’i Israely. I Iaveh Andriamaniny no momba azy; Fihobiana mpanjaka no manakoako ao aminy;


fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.


ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.


Nefa izao no navalin’Andriamanitra azy: Misy fito arivo lahy no efa natokako ho Ahy, sy tsy nandohalika tamin’i Baala.


Tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ry Jesoròna ô! izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao, sy mandia ny rahona, amin’ny voninahiny.


Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.


Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an’i Iaveh izy ireo; koa ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra