Mbola niteraka an’i Saafa rain’i Madmenà, sy i Soe rain’i Makbenà sy rain’i Gabaà koa izy. Ary ny zanaka vavin’i Kaleba dia i Aksà.
1Tantara 2:50 - Baiboly Katolika Izao no zanaka lahin’i Kaleba. Zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efratà: i Sobala, rain’i Kariatiarima, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: I Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima; DIEM PROTESTANTA Ireto koa mbola taranak’i Kaleba: ireo zanakalahin’i Hora, lahimatoan’i Efrata, dia i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto koa mbola taranak’i Kaleba: ireo zanakalahin’i Hora, lahimatoan’i Efrata, dia i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma, Baiboly Protestanta Malagasy Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: Sobala, razamben’ny any Kiriata-jearima, Malagasy Bible Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima, La Bible en Malgache Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: I Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima; |
Mbola niteraka an’i Saafa rain’i Madmenà, sy i Soe rain’i Makbenà sy rain’i Gabaà koa izy. Ary ny zanaka vavin’i Kaleba dia i Aksà.
Ny fokon’i Kariatiarima dia: ny Jetreanina, ny Afoteanina, ny Semateanina ary ny Masereanina. Avy amin’izy ireo no niavian’ny Sareanina sy ny Estaôlianina.
I Fanoela no rain’i Gedôra, ary i Ezera no rain’i Hosa. Ireo no zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efrata, rain’i Betlehema.
Avy eo an-tampon’ny tendrombohitra dia nizotra ny faritry ny tany hatrany amin’ny lohan’ny ranon’i Neftoà, nihatra amin’ny tanàna ao an-tendrombohitra Efrôna; nandroso ny faritry ny tany mankany Baala, dia Kariata-Jearima izany.
Koa niainga ny zanak’i Israely dia tonga tany an-tanànan’izy ireo nony afaka hateloana; ny tanànany dia i Gabaôna, i Kafira, i Berôta ary i Kariatiarima.
Dia hoy ny vahoaka rehetra teo am-bavahady mbamin’ny loholona: «Vavolombelona izahay. Enga anie ka hataon’i Iaveh tahaka an-dRasela sy i Lià ny vehivavy izay miditra ao an-tranonao, dia tahaka azy roa vavy izay nanangana ny tranon’i Israely. Ary ianao kosa, matanjaha any Efrata ary aoka ianao hampanan-daza ny anaranao any Betlehema.
Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampiakatra ny Fiaran’i Iaveh, nentiny nankany an-tranon’i Abinadaba any amin’ny havoana; ary i Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny Fiaran’i Iaveh.