Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Samoela 7:1 - Baiboly Katolika

1 Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampiakatra ny Fiaran’i Iaveh, nentiny nankany an-tranon’i Abinadaba any amin’ny havoana; ary i Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny Fiaran’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-Jearima ka nitondra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO niakatra; nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadaba, teo amin’ny havoana izy ireo, ary nanamasina an’i Eleazara zanany mba hitandrina ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Tonga naka ny Vatamasin’ny TOMPO ny mponin’i Kiriata-Jeharîma ka nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadàba teo amin’ny havoana iray. Dia natokan’izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin’ny TOMPO i Elihezera zanakalahin’i Abinadàba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tonga naka ny Vatamasin’ny TOMPO ny mponin’i Kiriata-Jeharîma ka nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadàba teo amin’ny havoana iray. Dia natokan’izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin’ny TOMPO i Elihezera zanakalahin’i Abinadàba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’i Jehovah izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 7:1
9 Rohy Ifampitohizana  

sy hitondrantsika ho atỳ amintsika indray ny fiaran’Andriamanitra, fa tsy nahoantsika akory izany tamin’ny andron’i Saola.»


Indro rentsika fa hoe any Efratà izy; hitantsika tany an-tsahan’i Jaara izy.


«Mialà, mialà, mivoaha teo ianareo; aza mikasika izay maloto. Mivoaha avy ao aminy, mandiova tena ianareo, izay mitondra ny fanak’i Iaveh.


Amin’ny lafiny andrefana dia nandroso ny faritry ny tany ary niolaka hatramin’ny tendrombohitra ao anoloan’i Betôrôna eo atsimo, ka nipaka tamin’i Kariata-Baala, dia i Kariata-Jearima izany, tanànan’ny taranak’i Jodà; izany no lafiny andrefana.


Koa niainga ny zanak’i Israely dia tonga tany an-tanànan’izy ireo nony afaka hateloana; ny tanànany dia i Gabaôna, i Kafira, i Berôta ary i Kariatiarima.


Dia nandefa iraka nankany amin’ny mponina any Kariatiarima izy ireo, hilaza hoe: «Naverin’ny Filistinina ny Fiaran’i Iaveh ka midìna ianareo hampiakatra azy ho any aminareo».


Hatramin’ny andro nametrahana ny Fiaran’i Iaveh tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin’i Iaveh ny tranon’i Israely rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra