Daniela 3 - DIEM PROTESTANTANy didy momba ny fivavahana amin’ny sarivongan’olona volamena 1 Ary Nebokadnetsara mpanjaka nampanao sarivongan’olona volamena; telopolo metatra ny haavony ary telo metatra ny sakany. Ka nasainy natsangana teo amin’ny tany lemaka Dorà, tao amin’ny faritanin’i Babilôna, izany. 2 Avy eo izy dia nampamory ny solotenan’andriamanjaka, ny mpifehy faritany, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalàna sy ny mpitsara, ary ny mpiasam-panjakana hafa rehetra isam-paritany, mba ho avy hitokana ilay sarivongana efa nasain’i Nebokadnetsara mpanjaka natsangana. 3 Dia vory avokoa ireo manampahefana ireo mba hanao ny fitokanana, ka naka toerana teo anoloan’izany sarivongana izany. 4 Dia niantso tamin’ny feo mahery ny mpikabary nanao hoe: –Izao no baiko lazaina aminareo vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra: 5 «Raha vao renareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa ka mivavaha amin’ny sarivongan’olona volamena izay natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka. 6 Ary na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka aminy dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.» 7 Koa tamin’ny fotoana izay nandrenesana ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ny sarivongana volamena izay efa natsangan’i Nebokadnetsara mpanjaka ireo vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra ireo naman’i Daniela 8 Tamin’izay fotoana izay dia nisy lehilahy babilônianina sasany tonga hiampanga ny Jiosy. 9 Nandray fitenenana ireo ka nilaza tamin’i Nebokadnetsara mpanjaka hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! 10 Namoaka didy ianao, ry mpanjaka, nanao hoe: «Ny olona rehetra dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongan’olona volamena rehefa mandre ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany. 11 Fa na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.» 12 Misy anefa lehilahy jiosy izay voatendrinao hitondra ny faritanin’i Babilôna, dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; ireo lehilahy ireo dia tsy nanaja ny didinao, ry mpanjaka, tsy mety manompo an’ireo andriamanitrao, ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsanganao. 13 Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo, 14 dia nanontany azy i Nebokadnetsara hoe: –Marina ve ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao fa tsy mety manompo ireo andriamanitro ianareo ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsangako? 15 Ankehitriny, mivonòna ianareo, fa amin’ny fotoana izay handrenesanareo ny feon’ny trompetra sy sodina ary kabôsy aman-dokanga mbamin’ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin’ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin’ny fahefàko? 16 Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe: –Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. 17 Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka. 18 Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanay. 19 Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. 20 Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany no nasainy namatotra an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay. 21 Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin’ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin’ny lafaoro misy afo mivaivay. 22 Ary satria hentitra ny tenin’ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin’ny lelafo mbamin’ny miaramila izay nanipy an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 23 Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin’ny lafaoro misy afo mivaivay. Novonjen’Andriamanitra tamin’ny lafaoro izy telo lahy 24 Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe: –Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo? Dia hoy ny navalin’ireo: –Izany tokoa, ry mpanjaka! 25 Ary hoy indray ny mpanjaka: –Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin’ny zanak’ireo andriamanitra? 26 Dia nanatona ny varavaran’ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe: –Ry i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra ô, mivoaha tao ianareo ka avia atỳ! Niaraka tamin’izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. 27 Dia nitangorona ireo solotenan’andriamanjaka sy ny mpifehy faritany ary ny governora sy ireo mpanolotsain’ny mpanjaka mba hijery ireo lehilahy ireo; ka hitany fa tsy nampaninona ny tenan’izy ireo akory ny afo, tsy may ny volon-dohany, tsy simba ny fitafiany sady tsy maimbo afo akory. 28 Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe: –Hisaorana anie Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon’ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny. 29 Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin’ny Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.» 30 Dia nasandratry ny mpanjaka i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ho amin’ny toerana ambony noho ny teo aloha tao amin’ny faritanin’i Babilôna. Ilay hazo lehibe: nofy faharoan’ny mpanjaka 31 Ary i Nebokadnetsara mpanjaka nampitondra teny ho an’ny foko sy firenena ary olona samy hafa fiteny rehetra izay monina amin’ny tany tontolo hoe: «Hitombo anie ny fiadananareo! 32 «Sitrako ny hanambara ireo famantarana sy zava-mahagaga izay nataon’Andriamanitra Avo Indrindra tamiko: 33 Lehibe aoka izany ireo famantarany, ary mahery tokoa ny zava-mahagaga vitany; maharitra mandrakizay ny fanjakany, ary tsy hanam-petra ny fanapahany. |
Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara © Malagasy Bible Society, 2004.
Malagasy Bible Society