Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Daniela 3:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe: –Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo? Dia hoy ny navalin’ireo: –Izany tokoa, ry mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Dia talanjona i Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangana haingana ary niteny tamin’ny mpanolotsainany hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny afo? Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe: –Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo? Dia hoy ny navalin’ireo: –Izany tokoa, ry mpanjaka!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin’ny mpanolo-tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Dia talanjona i Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangana haingana ary niteny tamin’ny mpanolotsainany hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny afo? Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô!

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 3:24
18 Rohy Ifampitohizana  

Ka dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO toy ny taranak’i Ahaba izy, satria ireo no mpanolotsaina azy taorian’ny nahafatesan’i Jôrama rainy ka nampidi-doza azy.


Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka.


Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin’ny lafaoro misy afo mivaivay.


Ary hoy indray ny mpanjaka: –Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin’ny zanak’ireo andriamanitra?


Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.


ary niteny izy ka nanao hoe: –Tsy ity moa ilay Babilôna lehibe izay naoriko ho fonenan’andriamanjaka? Porofo izao fa lehibe ny heriko izao ary heni-boninahitra ny fiandrianako.


Ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an’i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza.


dia nivaloarika ny tarehiny; nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavàn’ny vahiany ary nifampikitrana ny lohaliny.


Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniela hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka!


Dia dodona nankany amin’ny mpanjaka ireo mpitantan-draharaha ambony sy solotenan’andriamanjaka, ary nanao taminy hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry Dariôsa mpanjaka!


Nandondom-baravarana i Petera ka nisy ankizivavy atao hoe Rôda nanatona hihaino.


Teny an-dalana aho, ry mpanjaka, raha tamin’ny mitataovovonana ny andro, dia nahita hazavana avy tany an-danitra, mahery lavitra noho ny hazavan’ny masoandro ka nanjelanjelatra manodidina ahy mbamin’ny mpiara-dia tamiko.


Ry Agripà mpanjaka, inoanao ve izay voalazan’ny mpaminany? Fantatro fa inoanao.


Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.


Rehefa hitan’i Saoly ny nandehanan’i Davida nifanandrina tamin’ilay Filistinina, dia nanontany an’i Abinera kômandin’ny tafika izy hoe: –Zanak’iza moa iny tovolahy iny, ry Abinera? Ka novalian’i Abinera hoe: –Velona ny ainao, ry andriamanjaka, fa tena tsy fantatro mihitsy iny tovolahy iny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra