Hampahafantarinao ahy ny lalan’ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan’ny Tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tananao ankavanana.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo; mangataha àry, dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra, sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.
Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna, fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!»
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
Satria amin’izany ny aviavy tsy hamontsina, ny voaloboka tsy hisy hotoazana; ny ôliva tsy hisy voany; ary ny saha tsy hahavoka-kanina; tsy hisy intsony ao amin’ny vala ny ondry ary ny fahitra tsy hisy omby intsony. Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh, te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra. Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana,
Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.
Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.
Ka amin’ny hihiràko ho Anao, dia eo amin’ny molotro ny firavoravoana, sy ho ao amin’ny fanahiko izay novonjenao.
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»
Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafaodina aminao.
Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany, ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany.
Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao. Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
Ny fanantenan’ny marina, dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.»
Mahatsiaro aho - ary amin’izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra, eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!
ka ho tonga an-kafaliana any aminareo, raha sitrapon’Andriamanitra, sy hiala sasatra kely eo afovoanareo.
Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra. Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.
Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany. Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.
Tahaka ny fisàvan’ny setroka, no andringano an’ireny; tahaka ny fiempon’ny savoka eo amin’ny afo no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan’Andriamanitra.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!
Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana kosa no ho an’izay manoro fihavanana.
Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena: «Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.»
Aoka hifaly ny lanitra, ary aoka hiravo ny tany! Aoka holazaina eram-pirenena ny hoe: ‹Mpanjaka i Iaveh!›
Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala,
I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany, dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.
Fandrika no amin’ny heloky ny olon-dratsy fanahy; fa hoby aman-kafaliana kosa no an’ny marina.
Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan’Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo!
Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hoarîko: fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.
Farany, ry kristianina havana, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerin-teny raha manoratra aminareo, sady mahasoa anareo izany.
fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
Ary nivavaka i Anà ka nanao hoe: «Ny foko misomebin-kafaliana amin’i Iaveh, ny tandroko nasandratr’i Iaveh, ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho.
Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:
Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany. Lazao isan’andro ny famonjeny, ambarao amin’ny firenena ny voninahiny, ary amin’ny firenena rehetra ny fahagagany.
Koa amin’izany, ry havako malala, mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatroboninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo araka izany, ry malalako.
Ary ianareo, ry zanak’i Siôna, aoka hientan-kafaliana sy ho ravoravo ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo; fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina, ny andro alatsany ho anareo, dia ny fara orana sy ny loha orana, toy ny taloha indray.
Ny fo ravoravo, mahamiramirana endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.
Ho ao amin’ny ôtelin’Andriamanitra, ho ao amin’ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako, ary hidera Anao amin’ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!
Dia nentiny nankao an-tranony izy roa lahy, ka norosoany hanina, ary nifaly izy mianakavy rehetra, satria efa nino an’Andriamanitra.
Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany; ary tamin’ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.
Ianareo no itokiako indrindra, ianareo no reharehako lehibe; ka feno fanalana alahelo aho, ary vonton-kafaliana tokoa, na dia ao anatin’ny fahorianay rehetra aza.
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tanana amin’ny Anaranao. Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan’ny fanahiko, ka midera Anao ny vavako, amin’ny molotro falifaly. Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina.
Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra, fa efa vitan’i Iaveh izany. Mirohondrohòna, ry fanambanin’ny tany! Ataovy maresaka ny fifaliana, ry tendrombohitra, mbamin’ireo ala sy hazo rehetra eo aminareo: fa I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba, sy naneho ny voninahiny eo amin’i Israely!
Mihirà fihiram-baovao ho voninahiny; ampiaraho amim-pahaizana amin’ny zava-maneno ny feonareo.
Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»
Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely, hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna!
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Ny manaraka ny fampianaranao dia ahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.
Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; ny tany sy izay rehetra ao aminy, Ianao no nanorina azy.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.
Fa isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo.
dia izay rehetra mitondra ny Anarako, izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh! Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra.
Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany: «Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy Ianao.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny; jereo ity fahoriana amelin’ny fahavaloko ahy fa Ianao no mampiverina ahy avy amin’ny vavahadin’ny fahafatesana,
I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Ho tonga amiko anie ny fiantranao ary ho velona anie aho, fa ny lalànao no fahafinaretako.
Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.
Tahaka ny Anaranao, ry Andriamanitra, toy izany koa ny fiderana Anao tonga hatrany am-para vazantany. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
Raha mieritreritra Anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ny saiko mandritra ny fiambenana alina.
Ary izany indrindra no ampoiziko sy fantatro, dia ny hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra, mba hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin’ny finoanareo.
Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.
Koa hiverina ny navotan’i Iaveh; dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-
Hambaran’ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra, ary hankalazainy ny fahamarinanao.
Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh, te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Fihirana nataon’i Etàna, Ezrahita . Ianao no mamolaka ny fianjonanjonan’ny ranomasina; Ianao no mampitony azy raha misamboaravoara ny onjany. Ianao no nanorotoro an-dRahaba toy ny faty; sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao. Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; ny tany sy izay rehetra ao aminy, Ianao no nanorina azy. Ny atsimo sy avaratra, Ianao no nahary azy. Tabôra sy Hermôna indray mientana amin’ny Anaranao. Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao. Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh! Mifaly mandrakariva amin’ny Anaranao izy; ary misandratra amin’ny fahamarinanao. Fa Ianao no voninahiny amam-pahefany, ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay. Satria avy amin’i Iaveh ny ampinganay; ary avy amin’ilay Masin’i Israely ny mpanjakanay. Te hihira mandrakizay ny hatsaram-pon’i Iaveh aho: hanambara ny fahamarinanao amin’ny taranaka rehetra, ny vavako.
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
Miakatra ho any amin’ny fitoerana masina ombam-pihobiana Andriamanitra. Miakatra i Iaveh omban’ny feon-trômpetra. Mihirà ho an’Andriamanitra, mihirà! Mihirà ho an’ny Mpanjakantsika, mihirà!
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
Iretsy kosa rehefa avy nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, ary tao anatin’ny Tempoly mandrakariva izy ireo nidera sy nisaotra an’Andriamanitra. Amen.
Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra fa izaho mbola hidera Azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro!
Fa hisaorana anie Andriamanitra Izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’i Kristy Jesoa sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.
Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro. Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tanana amin’ny Anaranao.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!
Hankalazainy eo amin’ny fiangonan’ny vahoaka anie Izy, ary hoderainy eo amin’ny fiangonan’ny loholona.
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra. Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.
Raha tsy ny lalànao no nataoko fahafinaretako, dia efa maty tamin’ny fahoriako aho toy izay.
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Sitrako ny midera an’i Iaveh, amin’ny andro rehetra iainako; sitrako ny mihira ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa aho.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo. Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Fifaliana ho an’ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany; ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin’izay antonona azy.
fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,