Ny hazofijaliana, sorona lehibe nataon’i Jesosy hamonjena antsika olombelona. Fitiavana tsy manam-paharoa, tsy mbola nisy toa azy. Famelan-keloka tsy mendrika antsika akory. Fitiavan’Andriamanitra mahery vaika ho an’ny taranaka ratsy fanahy sy mpanota.
Mampahatsiahy antsika ny hazofijaliana fa na eo aza ny fijaliana sy ny mafy dia misy fanantenana mihazona antsika hatrany. Ao aminy no ahitantsika fahazavana ao anatin’ny haizina, fampiononana avy amin’ny fampanantenana fiainana mandrakizay.
Rehefa mijery ny hazofijaliana isika dia mandinika ny fiainantsika, mieritreritra ny dikan’ny ataontsika. Mampisaintsaina antsika ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fepetra, ny fahavononany hanome antsika fahafahana fanindroany. Amin’ny alalan’ny hazofijaliana no ahitantsika famelan-keloka sy fampihavanana amin’ny Mpamorona antsika.
Miantso antsika hanokatra ny fontsika ny hazofijaliana, hanolotra ny fiainantsika ho sorona tahaka an’i Jesosy. Mitarika antsika handà ny tenantsika sy hanaraka ny diany, hitondra ny hafatry ny fitiavany sy ny fiantrany ho an’izao tontolo izao.
Enga anie ny fisaintsainana ny hazofijaliana hanentana antsika hiaina araka ny didin’Andriamanitra, haneho fangorahana, famelan-keloka ary fitiavana ny mpiara-belona amintsika. Isaky ny dingana ataontsika, enga anie isika hahita hery hilanja ny hazofijaliantsika manokana sy hanaraka ny dian’i Jesosy, amin’ny fahafantarana fa miaraka amintsika mandrakariva ny fitiavany tsy miova.
Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very, ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy,
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.»
Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.
Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.
Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina.
Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliany, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery Izy, na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Rehefa tafavoaka ny tanàna, dia nifanena tamin’ny lehilahy Sireneanina anankiray atao hoe Simôna izy ireo, ka notereny io hilanja ny Hazofijalian’i Jesoa.
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanohomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.
Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho tany aminareo, indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Nony tonga tany amin’ny fitoerana atao hoe Kalvery izy ireo, dia nofantsihany tamin’ny Hazofijaliana Izy, sy ireo mpangalatra ireo, ny iray moa teo ankavanany ary ny iray kosa teo ankaviany.
Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
Ary nanao soratra i Pilaty napetany teo an-dohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vakiny: «Jesoa avy any Nazareta mpanjakan’ny Jody.»
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan’ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa.
Vao nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: «Tanteraka ny zavatra rehetra.» Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Ary tamin’izay i Jesoa dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy.» «Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy, Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana.
Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.
Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry.
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
mba hahalala Azy aho, dia Izy sy ny herin’ny fitsanganany avy any amin’ny maty, ary ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka ho tonga toa Azy amin’ny fahafatesany,
Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe: «Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy.
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Ary Izaho rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy.»
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany,
«Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena; raha mpanjakan’i Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny Hazofijaliana ankehitriny, dia hino Azy isika.
Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
‹Tsy maintsy atolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona sy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.› »
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny Rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho Izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany:
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: «Raiko! apetrako ao an-tananao ny fanahiko.» Nony voalazany izany, dia niala aina Izy.
Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao.
ary ny herin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.
Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Ary raha ny amiko, ry kristianina havana, raha marina fa mbola mitory ny famorana koa aho, ahoana indray no mbola anenjehana ahy? Foana izany ny fahatafintohinana noho ny Hazofijaliana!
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; Ary ahoana no dia anaovanay vy very ny ainay mandrakariva? Marina amin’ny reharehako ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika noho ny aminareo, ry kristianina havana, raha tsy isan’andro aho no toa ho faty ihany e! Raha araka izay hevitr’olombelona fotsiny no niadiako tamin’ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e! Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an’Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany. Fa hisy hanao hoe: «Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?» Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. Ary raha mamafy ianao, tsy ny tenan’izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa; dia vao Andriamanitra no manome tena azy araka izay tiany; samy omeny tena manaraka ny karazany avy ny voa rehetra. Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an’ny olona, hafa ny an’ny biby; hafa ny an’ny vorona, hafa ny an’ny hazandrano. dia nalevina Izy, sy nitsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina;
Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Satria noho ny amin’i Kristy, dia tsy ny hino Azy ihany no nomena anareo, fa ny hiaritra fahoriana noho ny aminy koa,
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka ka izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin’ny fahatezerana mihitsy.
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Fa nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana aza Izy noho ny fahalemena, dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Toy izany koa izahay, na dia malemy ao aminy aza, dia hiara-belona aminy koa; ka hahery ao aminareo, noho ny herin’Andriamanitra.
izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina,
Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso mafy i Jesoa hoe: «Elia, Elia lamma sabaktany!» izany hoe «Ry Andriamanitro! Ry Andriamanitro, nahoana no dia nilaozanao aho?»
Toy ny nigagan’ny maro nahita azy, - fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, -
ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay maty sy nitsangana ho azy ireo.
izay nanolo-tena noho ny fahotantsika, mba hanafaka antsika amin’izao andro ratsy izao, araka ny lahatr’Andriamanitra Raintsika.
nanao hoe: «Raiko ô! raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitraponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.»
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.
izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany,
Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Maina tahaka ny tavim-bilany tany ny heriko, ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako; mampandry ahy ao amin’ny vovoky ny fahafatesana Ianao.
Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.
Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.
Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: «Raiso ary hano, Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.» Toy izany koa, nony efa nihinana, dia noraisiny ny kalisy ary hoy Izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo»
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Ho an’ny mpampianatra hira. Momba ny Serfavavin’ny mazava atsinanana . Salamon’i Davida.
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io.»
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Amin’izany dia tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha ohatra ka avy amin’ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana i Kristy.»
fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.