Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 4:12 - DIEM PROTESTANTA

Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin’ny filanjana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Avy eo dia halainy ny fanaka rehetra fitondra manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ka hataony ao anaty lamba volon’ondry manga, ary hosaronany rakotra hoditra trozona, dia hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin’ny filanjana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin’ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon’ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin’ny filanjana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Avy eo dia halainy ny fanaka rehetra fitondra manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ka hataony ao anaty lamba volon’ondry manga, ary hosaronany rakotra hoditra trozona, dia hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.

Jereo ny toko



Nomery 4:12
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny sasany tamin’ny mpiandry vavahady dia niadidy ny fanaka momba ny fanompoam-pivavahana, ka nanisa ireo fanaka entina hampiasaina sy entina haverina.


Ny sasany kosa notendrena hiadidy ny tavoara, dia ireo tavoara masina rehetra, ary koa hiadidy ny koba lafarinina sy ny divay ary ny menaka mbamin’ny vovo-javamanitra sy ny zava-mamerovero hafa;


Rehefa vitan’i Horama ny vilany fanangonan-davenona sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa ny asa izay nataony ho an’i Salômôna mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra:


ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin’ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon’i Horama-Abỳ ho an’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.


Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,


ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitoeran-davenon-jiro, dia samy volamena madio; ny lelavaravarana, na ny mankao amin’ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin’ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.


hoditr’ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôza,


Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.


ny lamba fandrakofana ny fanaka, ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany,


Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin’ny Tranolay.


Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny alitara volamena izy, ka handrakotra izany amin’ny lamba hoditra mafy, ary izay vao hapetrany ny bao.


Hoesoriny ny lavenona eo amin’ny alitara ka hamelarany lamba volomparasy eo.


hasiany lamba hoditra manify eo ambonin’izany, dia hamelarany lamba volomparasy indray eo ambonin’io, vao hapetrany ny bao filanjana azy.


Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny latabatry ny mofo aseho izy ka hametraka ny lovia, ny kaopy, ny tsatokaty ary ny zinga fampidinan-divay; hapetrany eo koa ny mofo izay haseho lalandava eo anatrehako.


Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.