Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Haka lamba volon’ondry manga indray izy ka hasarony ny fitoeran-jiro fanazavana, ireo jirony, hetin-jirony sy fitoeran-davenon-jirony ary ireo fitaovany fitoeran-diloilo rehetra, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia haka lamba volon’ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Haka lamba volon’ondry manga indray izy ka hasarony ny fitoeran-jiro fanazavana, ireo jirony, hetin-jirony sy fitoeran-davenon-jirony ary ireo fitaovany fitoeran-diloilo rehetra, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Fanilon’ny diako ny teninao sy fanazavana ny làlan-kizorako.


Hataony ao anaty saronan-koditra mafy izany ka hapetrany amin’ny filanjana azy.


Eo ambonin’izany rehetra izany no hamelarany lamba jaky izay horakofany lamba hoditra manify; izay vao hapetrany ny bao filanjana ny latabatra.


Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.


Izao no hevi-miafina fonosin’ny kintana fito hitanao teo an-tanako havanana sy ny fitoeranjiro volamena fito: ny kintana fito dia ny anjelin’ny Fiangonana fito; ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra